EDITO 11 Aprily – Reboza Julien – Fahotana mahafaty amin’ny asam-panjakana no nataony

Rajaonarimpanontsana

Mazava tsara amin’ny mponin’Antananarivo Renivohitra sy ny vahoaka Malagasy izao, fa madio tanteraka sy tsy mivarotra na oviana na oviana tanim-panjakana ny Ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana, izay niniana nolotoina hatramin’izay, noharatsiana an-gazety ary nenjehina mafy dia mafy. Nivoaka ny marina mahakasika ireo famarotana tany teny an-jaridainan’Antaninarenina sy ny Villa Elisabeth ary ny maro hafa, fa ny Minisitry ny fanajariana ny tany, Reboza Julien izay niara-nitantana ny firenenena tamin’ireo mpitondra antsika amin’izao fotoana izao no ao ambadika, niaiky izy fa nanao sonia « tsy nahy », hono, ny fifampivarotana ireo tanim-panjakana ireo. Mahagaga an! hoy ilay fiteny iray izay. Minisitra mitana toerana ambony, faharoa, manaraka ny Praiminisitra sady manam-pahaizana ambony ary efa nitana toerana ambony maro teto amin’ny firenena no miteny izany.

Na dia lehiben’ny fokontany aza, tsy sanatria manambany ny lehiben’ny fokontany, mbola mahafantatra tsara ny asany ary tsy manao sonia taratasim-panjakana mihitsy raha tsy hitan’ny masony ary fantany mazava tsara ny votoatin’ny taratasy atao sonia. Eto amintsika dia vitan’ny hoe « nataoko sonia fotsiny fa tsy nojereko satria an-jatony ny taratasy soniaviko ». Raha olon-kafa izay dia tsy misy alaharo alaharo fa tonga dia any Antanimora mihinana gagazo miandry fitsarana. Aiza ho aiza ny Bianco, ny fitsarana, manoloana izay ampamoaka ny tenany izay, sa rehefa olona ambony azo lazaina ho naman’ny mpitondra ankehitriny no mibaboka dia vita moramora foana?

Fahotana mahafaty eo amin’ny fitantanana ny asam-panjakana io nataony io ary heloka eo anatrehan’ny lalàna ihany koa. Ny hafa no nanao ny nataony dia ny Ben’ny tanàna ankehitriny no maimboana sady nohararaotin’ny olona lasa minisitra notendrena rehefa tsy lanim-bahoaka tamin’ny fifidianana, hanenjehana ny olom-boatendry lehibeny. Raha tohizan’ny fitsarana mahefa tsara ny fanadihadiana mahakasika ireo tany namidy teto Antananarivo Renivohitra ireo nanomboka tamin’ny andron’ny Tetezamita izay tena nampirongatra ny famarotana tany, ka hatramin’izao fitondrana izao dia inoana marimarina fa ho voasaringotra hatrany amin’ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina. Enga anie ka hahaleotena tanteraka ny fitsaràna ary hanao ny asany tsy an-tery na avy aiza na avy aiza.