Korontana tany Maroantsetra – Nesorina tamin’ny asany avokoa ireo polisy niasa tao amin’ny kaomisaria

Nisehoana korontana tany Maroantsetra faritra Analanjirofo ny sabotsy tolakandro mandrak’alina. Araka ny vaovao voaray, 2 no maty, trano miisa 22 no may ka ny 20 amin’ireo dia tranona polisy avokoa. Tanora mpianatra iray 19 taona nisy niampanga ho namaky trano no maty tao amin’ny violon, tsy nanaiky ny fianakaviany ka nahatonga ny korontana tany an-toerana. Noho izay antony izay, nesorina tamin’ny asany avokoa ireo polisy niasa tao amin’ny kaomisaria nisian’ny olana ary hotohizan’ny fanjakana ny famotorana. Izany no fanapahan-kevitra noraisin’ireo manam-pahefana tonga tany an-toerana ny alahady teo. Nitsapa alahelo ny fianakaviana mana-manjo koa izy ireo tamin’izany ary nihaona nivantana tamin’ny vahoaka. Efa nentin’ny fianakaviany nody any ambanivolo ny razana voalohany. Ilay maty teny amin’ny hopitaly kosa dia andrasana ao amin’ny tranompokonolona. Anio talata no mety halefa sambo any Toamasina ny razana, mialohan’ny hihazoany an’Ambatondrazaka. Milamindamina aloha ny toe-draharaha any antoerana amin’izao.

Tsiahivana fa ny niandohan’ity tranga ity dia nisy mpianatra tao amin’ny Lisea Soafaniry kilasy 1ère izay voaendrikendrika tamin’ny halatra, efa 2 volana lasa. Ny sipany ihany no nitory azy ny zoma lasa teo. Voatazona tao amin’ny polisy ilay tovolahy vokatr’izany. Ny maraina ny asabotsy dia naterin’ny polisy tao amin’ny Hopitaly izy. Nanamarina ny dokotera tao fa efa tsy nisy aina intsony ity farany ary maty vokatry ny daroka. Tezitra tamin’izany ny vahoaka, ka nikasa hitondra ny faty tany amin’ny biraon’ny kaomisaria. Teo no niteraka ny fifandonana ka nahatonga fitifirana tovolahy iray hafa 17 taona avy any Morarano Ambatondrazaka. Nitombo arak’izany ny fahatezeran’ny mponina, ka lasa nitety tanàna nandoro ireo tranona Polisy nandritra ny alina tontolo izy ireo.

Ny Valosoa