EDITO 4 Aprily – Ny Senegaly namono ny gasy no andohalihan-dRajoelina

Rajaonarimpanontsana

Asa na inona loatra no mahazo antsika Malagasy ity fa dia ireo mpanjanaka toa an’i La Frantsa sy ny Senegaly namono ny Gasy indray no handolihan’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Tsy sanatria manana lolom-po amin’ireo firenena ireo no hitenenana izany fa ny tantara kosa tsy fanadino. Nandritra ny fotoana nampamaivay ny tolon’ny 1947 ange ka naripak’izy ireo toy ny valala ny Mpitolona Tia Tanindrazana MDRM sy ny maro hafa e! Betsaka ny Malagasy namoy ny ainy ary ireo Ray aman-dreny akanga sisa nanamborana dia mahatsiaro izany fahoriana nataon’ny Senegaly nahazo baiko avy tamin’ny Frantsay izany.

Efa niala ny alahady 30 martsa teo ny filoham-pirenentsika ary efa tonga any Dakar hanatrika ny lanonana Roa sosona atao any Senegal : ny voalohany dia ny fankalazana ny fitsingerenan’ny fetim-pirenena Senegalais, anio faha- 4 ny volana aprily; ny faharoa kosa dia ny fianianan’ny filoha Macky Sall ny talata 2 aprily teo, izay voafidy fanindroany indray hitondra ny firenen’i Senegal.

Ny lasa tsy fanadino, hoy ny fahendrena Malagasy izay ary ny tantara dia mitoetra ka tsy tokony hatao tsinontsinona izay tolona nataon’ny Malagasy izay. Raha ny tantara tokoa mantsy dia tsy nitsitsitsitsy antsika Malagasy izany Senagaly izany rehefa nanatanteraka baiko ary dia sahala amin’ny biby mihitsy ny fiheverana antsika tamin’ireny fotoana ireny. Ankehitriny anefa toa matimaty foana ireo mpitolona Malagasy raha mba niaro ny taniny izay nobodoin’ireo mpanjanaka. Tsy hoe fankahalana ihany koa no hambara eto fa mampahatsiahy ny zava-nanjo ny Malagasy nanao ny ainy tsy ho zavatra nandritra ny fanjanahantany.

Tokony mba ho jerena manokana ihany izay firenena hiarahana fa tsy izay hita rehetra izao dia andehanana avokoa na angatahana kanefa efa hita izao fa nampahory ny mpiray tanindrazana Malagasy. Ireo Senegaly ireo koa dia mahalala tsara ny baiko nampanaovina azy teto amintsika fa tsy hoe ny lasa dia aoka homban’ny lasa sao isika diso hevitra. Ny hiverenany hanjakazaka an-kolaka indray aza no ao an-tsain’izy ireny ary efa hita taratra izany eny anivon’ny fiarahamonina eny.