EDITO 2 Aprily – Toa tsy misy laharam-phamehana ny ataon’ny fitondrana Rajoelina

Helisoa

Efa ho 3 volana izao no nitondra ny firenena ilay nolazaina fa fitondràna vaovao tarihin’ny filoha napetraky ny HCC sy ny CENI Andry Rajoelina, fa tsy mbola hita aloha ilay nampanantenaina ny vahoaka tamin’ny fampielezan-kevitra.

Lasa resabe eto amin’ny firenena ankehitriny indrindra amin’ny tambazotran-tserasera ny fampodiana ireo vehivavy maromaro niasa tany Koweit izay nilaza fa mijaly. Ny fahitàna azy ireo anefa dia tena mihaja be sy botabota tsy ahitàna taratra hoe mijaly izany. Mampametram-panontaniana ny maro hoe, vola avy aiza daholo izany no hampodiana azy ireo? Raha volampanjakana, dia volam-bahoaka izany. Tsy noterena sy novozonana anefa ireo mpiasa Malagasy ireo fa vokatry ny fony tanteraka no nandehanany tany. Koa tena laharam-pahamehana ve ny fampodiana azy ireo? Ny tsy salama kosa angamba tsy asiana olana mihintsy, fa raha ny sasany tsy marary tsy marikoditra handaniana vola be kosa mampieritrerita ihany.

Izay no mampanontany tena hoe, ho entina mankaiza ity firenena ity? Toa tsy misy laharam-pahamehana mihintsy ny ataon’ireo mpitondra fa toa zavatra any amin’ny tsy izy daholo. Dia miandry ihany ny Malagasy efa torovan’ny fahantrana , fa raha ny zavamisy amin’izao dia ny omaly tsy miova ihany, tsy misy antenaina .