EDITO 30 Marsa – Fankalazàna ny 29 martsa: fihatsarambelatsihy ihany no nataon-dRajoelina

Helisoa

72 taona ny tolom-panafahana nataon’ireo mahery fo namoy ny ainy sy nandatsaka ny ràny ho fanavotana an’i Madagasikara teo ambany vahohon’ny mpanjanatany Frantsay. Na dia tolona namoizana aina aman’alina aza ny 29 martsa dia lasa anara-tsy very sisa ny fanamarihana izany ankehitriny, dia ny omaly tsy miova ihany. Fanateram-bonikazo , fanomezana sakafo sy fihetsiketsena madinidinika sns … izay lasa tsianjery fotsiny. Ireo zoky ray amandreny tapa-porohana sisa tsy may bekotro maro holatra moa dia tsy laharam-pahamehana ho an’ny fanjakàna ny fijerena sy fitsinjovana ny fahanteran’izy ireo, nefa dia efa tena miha-vitsy sisa. Mody omena fanomezana tsy mahavita taona fa tsy izay mba mahasoa azy amin’ny andro sisa iainany izay omen’Andriamanitra azy no ataon’ny mpitondra.

Tsy mahagaga raha lasa tsy manaraka ny soa toavina maha Malagasy intsony ny ankabeazan’ny vahoaka Malagasy ankehitriny, satria ilay tantara mariky ny fitiavan-tanindrazana lasa atao ambanin-javatra. Ny hiafaràn’ny fankalazàna ny 29 martsa dia ho lasa ho very tsikelikely tsy ho fantatry ny taranaka aty aoriana intsony angamba atsy ho atsy, satria na ny mpitondra eto amintsika aza dia mpitondra saribakolin’ny mpanjanaka amin’izao fitondran-dRajoelina izao, fihatsarambelatsihy fotsiny no nataon’ny filoha Andry Rajoelina omaly, na ny teny amin’ny Fasan’ny Mahery fo teny Avaratr’Ambohitsaina, na ny tany Moramanga, natrehan’ity filoha DJ, mpanongam-panjakana ity. Satria aminy dia ny vahiny ihany no laharam-pahamehana fa tsy ny Malagasy toa azy.