ILAOZY NY SAMPINAO

Atsaharo ny hafetsena nolaroim-pitiavantena,
F’io no poizin-dehibe mamotika ny firenena.
Mankamamy an’io daholo ianareo nahazo toerana,
Tsisy fo mba hoe hizara na mba hanana fitserana!

Ny hameno paosy hatrany ny anareo no mahafaly.
Ny hanan-trano marobe sy fiara raitra no “idealy”.
Trano iray sy fiara iray anefa dia lazaina ho ampy,
Fa ny amboniny imatesana, mety hivadika ho sampy.

Sampy ireo ankamamiana sady tena ivavahana,
Hamotehana ny hafa, hanimbana ny fiarahana,
Ary handaozana ny namana, hivadiham-panekena,
Noho ny tsy faharesena izany hoe fitiavantena.

Sampy ireo rehetra asandratra miaraka amin’ny devoly,
Ka dia enti-manangoly sy anaovan-kolikoly.
Sampy ireo rehetra atsangana sy ajoro an-kafetsena
Haminganana ny hafa mba ho tombontsoan’ny tena.

Koa mitaona anao mitonona ho nahazo fanambinana,
Mba hametraka amin’ny toerany izany hoe fahamarinana.
Dia ialao ny toetra ratsy mampiseho fitiavantena,
Ary ilaozy iretsy sampy fositry ny firenena.

SEDERA RAVALISON (29-03-19)