EDITO 21 Marsa – Miami, izao dia izao!

Rajaonarimpanontsana

Miami izao dia izao, io no henonao raha sendra handray Taxi brousse mihazo an’i Toamasina miainga eto Antananarivo ianao. Misoratra mihitsy eny amin’ny fitaratry ny mpitatitra io. Toa zary lasa esoesontenin’ny mpanera sy ny mpandeha ilay izy satria mbola kevokevohan’ny filoham-pirenena Rajoelina tany Toamasina indray ilay moron’ny Bord fa ho tsara kokoa noho i Miami hono. Tsara ilay fisainana hanakatra ny tsaratsara kokoa fa tena ho raitra noho ny any ivelany tokoa ve no hitranga eo sa dia kaontenera toy ny etsy amin’ny La Réunion kely indray no hita?

Efa tsy vahiny amin’ny vahoaka intsony mantsy ny fampiesonana nampanantenaina hafa-tsy ny Vary Mora tsy fihinan’ny Malagasy maro akory, ratsy raha oharina amin’ny Vary Gasy eto an-toerana. Ireo Velirano nodradradradraina indray dia toa asa efa natomboka tamin’ny fotoanan’ny filoha Marc Ravalomanana sy Hery Rajaonarimampianina ihany no notohizana, fa ny fomba fiteny azy fotsiny no novaina.

Raha hiverenana ilay Miami dia io tokoa ve no tokony ho laharam-pahamehana kanefa ny vahoaka efa matin’ny hanohanana sy ripaky ny tsy fandriampahalemana ary lazoin’ny aretina? Atsangana indray ilay Building mora dia hihevitra ve ny rehetra fa ho tafiditra honina ao anatin’izany avokoa. Ny tany sy ny trano onenany kely aza efa lasa namidy amin’ny olom-bitsy sy ny akamakama dia hanantena inona indray.

Mbola tohin’ny nofinofy ririnina foana no iainana sy itondrana ity firenena ity ary Maquettes no arantiranty eny rehetra eny hisintonana ny fon’ny vahoaka fa tena hanao zavatra tokoa. Aleo isika no hahita ny ho tohiny…