Misy olona manimba ny TIM.K25 ny olona akaiky ny Filoha Ravalomanana

Fernand Cello

Fanehoan-kevitry ny mpanao gazety Fernand Cello momba ny kandida depiote TIM K25 any Tsiroanomandidy indray, no Tafatafa eto amin’ny gazetinao androany:

Raha toa ka hiteny eto aho anio, dia aza raisina ho tsy fitiavana na fanakorontanana, satria efa niezaka niantso sy nampahafantatra anareo ny tena zava-misy marina aho, saingy misy olona roa na telo eo ho eo tena ratsy ary tia vola eo akaikin’ny Filoha Marc Ravalomanana. Tsindriko eto aloha fa izaho tsy manana olana amin’ny Filoha Marc Ravalomanana, sy ireo olona akaiky azy, ary raha nanampy anareo izahay dia tsy nitady tambiny fa resaka fitiavana no nanampianay anareo, eny fa na dia niafara tamin’ny fanenjehan’ny fitondrana anay aza farany iny.

Hita, ary tsikaritra fa misy olona ratsy sy tia tena ny ao.
Vakio sy henoy ary fa hitantara aho:

Olona maro no nandresy lahatra ny filoha Marc Ravalomanana mikasika ny kandida ao Tsiroanomandidy hoe tsy mety, satria nandritra ny fifidianana natao tany amin’ny “primaire “dia nisy fizaram-bola ka nahatonga azy ho lany, faharoa nanana olana tamin’ny antoko TIM ao an-toerana ny taona 2013 satria tamin’ny ora farany dia niala tamin’ny antoko ary nanao lisitra faha2 ana kandida tsy miankina iray tamin’izany. Hitan’ny olona ho nanao abus nandritra ny fitondrana HVM, indrindra fa tamin’ireo olona tsy nitovy fomba fijery taminy. Misy amin’ireo olon’ny antoko aza nilaza fa hoe voaenjika, ary fantatry ny olona maro fa TIM nivadika ho HVM, saingy ankehitriny niverina ho TIM.K25. Nanolotra anaran’olona tamin’ny filoha izaho sy ny namana iray, mba hampiravona ny disadisa ao an-toerana, ary tena resy lahatra izy, ka niteny hoe raha ianareo no miteny an’izay dia aleo fa soloina izany. Nangataka ny ho 2eme liste ao Tsiroanomandidy aho, saingy efa feno moa ny lisitra ka tsy nisy azo natao. Niantso ahy anefa ny olona akaiky ny filoha indray andro ho eny amin’ny QG, ka nanontany ahy raha afaka hanao 3eme liste aho satria izy hono no hanao 2eme liste satria efa niasa tao izy 25 taona lasa ka fantatr’olona tsara any, fa misy conditions maromaro kosa takiana amiko : mandoa caution 25 Millions, miandraikitra ny Productions rehetra ao amin’ny MBS, ary manampy amin’ny fampandehanana ny Campagne miaraka amin’izy ireo.Tsy nandà aho aloha fa niteny hoe aleo handinika.

Somary gaga ihany aho, satria efa 3eme liste mbola nasaina nanao an’ireo zavatra ireo, ary tafateny aza aho hoe raha mba niteny conditions be tahak’izany koa moa izaho tamin’ny nanampy anareo ireny, nefa nataoko ilay izy nohon’ny Tanindrazana iombonana.
Ny antony tsy namaliako dia olona fantatro tsara ilay olona tokony ho Kandida, ary io no tian’olona any an-toerana, efa niteny taminy ihany koa aho fa hanampy azy raha milatsaka izy.
Tsy resaka fitiavan-tseza ny ahy fa tanàna naha lehibe ahy ny ao dia mba tiako raha tena olona hanao zavatra ho an’ilay faritra no lany ary indrindra fa olon’ny TIM.K25.

Vao manomboka anefa dia mifanohitra tanteraka ny hevitro sy ny an’ilay olona akaiky ny filoha io satria izy toa te hanao izay handefasana ilay kandida iray na dia fantany aza ny olana misy ao. Nidina tany Tsiroanomandidy izahay, niezaka nanontany olona maro aho fa samy nilaza ny tao ampony ireo rehetra niresaka tamiko. Fahitako azy efa engagé ilay olona akaiky ny filoha ka namboariny ny Saiko na dia tsy mety manaiky aza. Niresaka foana izahay teny an-dalana nody , ary nampitaiko taminy ny zavatra henoko sy hitako tany, fa ny hany nasesiny dia hoe azo hatsaraina io, ary izy io no mety hatao Président TIM.K25 .

Efa tsy nasaina nandoa ilay vola 25 Millions intsony aho , fa nasaina hiandraikitra ny production rehetra mandritra ny Campagne ao amin’ny MBS Tsiroanomandidy, saingy tsy resy lahatra amin’ilay Kandida aho, ary eo ihany koa ny fiaraha-monina ao Tsiroanomandidy dia aleoko mijanona tsy manao 3eme liste.

Fehiny, mety tsy ao Tsiroanomandidy ihany io olana io no mitranga fa manerana an’i Madagasikara, ka mitodika aminareo olona akaiky ny filoha Marc Ravalomanana aho, sao dia avy aminareo ihany no hamotika ny antoko. Aza ahilika any amin’ireo solombavambahoaka teo aloha ny tsy fahombiazana, fa na izaho izao aza nanao ny aiko tsy ho zavatra nanampy fa niaraha-nahita ny zava-nisy teto Madagasikara. Nahazo lesona aho, ary mahay mandinika , kanefa tsy mbola niteny aho hoe hiala akory . Samia mandinika ……