EDITO 12 Marsa – Rano vaky mambotry firenena, mampahory vahoaka

Rajaonarimpanontsana

Efa andro maromaro izay no nisian’ny rano vaky etsy Ambohijatovo ambony, eo amin’ny Terminus ny taxibe mihazo an’Ambohimanambola sy Alasora iny. Tsy rano kely fa dia rano mijininika be toy ireny fantson’ny Jirama lehibe ireny raha ny fahitana ny fisosan’ny rano mivoaka sy mandeha eo.

Angamba tsy mba misy mpiasan’ny Jirama mandeha mihitsy iny lalana miakatra an’Ambohijatovo iny fa dia rano very sy volam-bahoaka ariana fotsiny no misy. Ny nahita dia nilaza fa vokatry ny fitokonan’ny sendikan’ny mpiasan’ny Jirama no mahatonga izao, satria tsy misy intsony ny mpiasa manao ny hamehana noho ny olana ara-pitantanana ao amin’ity orinasa misahana sehatry ny angôvo ity. Ny mpanjifa rano rehetra anefa raha sendra ka tara ny fandoavam-bola dia tsy maintsy tapaka avy hatrany. Kinga mihitsy ny ao amin’ny orinasa Jirama manapaka izany ary tsy misy ihany koa indra fo. Mampieritreritra ihany koa, hoy ireo mahita fa angamba mifanindran-dalana amin’ny fitakian’ny mpiasan’ny Jirama io rano vaky io, ka samy tsy te hahalala fa tsy vola avy any am-paosy mivantana no mivoaka.

Na izany na tsy izany dia tokony ho raisina haingana ny andraikitra avy amin’ny Jirama fa ny zavatra tahaka izao no mambotry ny firenena sy mampahory ny vahoaka. Izao rano very fotsiny izao dia tsy maintsy ny mpanjifa ihany no hameno ny banga tokony ho fenoina avy eo. Ny faritra atsimo aza efa tsy fidiny ny tsy fahampian’ny rano fisotro, ny antsika eto dia ariana fotsiny. Mba eritrereto ihany re ry Jirama ary isaorana sahady ny fandraisanareo andraikitra hanamboarana io rano vaky io haingana dia haingana.