EDITO 2 Marsa – Fitondrana miady amin’ny vahoaka ny fitondrana Rajoelina

Helisoa

Fampanantenana poak’aty , izay no miverimberina amin’ireo Malagasy nametraka ny fitokisany tamin’ny filoha napetraky ny HCC Andry Nirina Rajoelina. Ny anarana filohampirenena fotsiny no niova fa tsy nisy fiovàna ny fiainan’ny Malagasy, fa ny teo ihany no teo, lasa fisehosehoana ivelany sisa no ataon’ity fitondràna milaza fa haingam-pandeha ity.

Vary mora efa eny ambony sambo no nampanantenaina tamin’ireo vahoaka madinika, hampakarina 200 000 ariary ny karama farany ambany raha vao tonga eo amin’ny fitondràna isika, sns… raha tsy hitanisa hafa-tsy ireo ihany, satria ireo no tena miantraika mivantana amin’ny vahoaka madinika nanaovana kobaka mafana hoy ny hiran’ilay mpihira malaza izay.

Raha ny tena asa vita aloha hatreto dia ny fiadiana amin’ny vahoaka sy fanenjehana olona ary fanagadrana, izay no zava-bita misongadin’ity fitondrana ity. Re ankehitriny fa misy ny sotasota atao amin’ireo mpiasa ECD eny amin’ny minisitera isanisany amin’ny fandrahonana azy ireo. Ny tao amin’ny ministeran’ny raharaham-bahiny dia efa mpiasa miisa 100 eo no noesorina. Politikan’ny fampananan’asa no tokony hatao fa tsy fandroahana ny mpiasa efa am-perinasa.

Tamin’ny filankevitry ny ministra indray dia nisy fanambaràna fa hoesorina amin’ny taniny ireo mponina fa hanaovana fotodrafitr’asa ho an’ny daholobe ny toerana misy azy ireo. Vao tsy misy 2 volana akory no teo amin’ny fitondràna ny TGV/ MAPAR dia fandrangarangàna ady fanesorana vahoaka amin’ny taniny no atao.

Raha tena miady ho an’ny daholobe ny fanjakàna dia ny tany lasan’ny karana sy sinoa no tokony halaina, fa tsy ny tanin’ny vahoaka Malagasy madinika sahirana mitady izay harapany no alaina aminy.