EDITO 28 Febroary – Tsy mbola misy mangirana aloha hatreto ny sosialim-bahoaka

Sôh’son

Tamin’ity volana faharoa mifarana amin’ity andro ity dia miseho manezaka amin’ny toe-javatra mitoetra ho olana mahakasika ny fiainam-bahoaka andavanandro ny fitondrana. Anisan’izany ny tsy fandriampahalemana sy ny olana amin’ny herin’aratra sy ny fahatapahan-jiro lava, izay nanakianana be dia be ny fitondrana teo aloha. Nilaza ny eritreriny amin’izay ho fampitomboana ny famokarana herin’aratra sy tonga hatramin’ny hoe fikasana hampihena ny vidin-jiro ny tompon’andraikitra tamin’ny fotoana nidinany ifotony.

Tsy voaresaka kosa nandritra ny fifampiresahana ny amin’ny fanonerana ny mpanjifa amin’ny ankamely tampoka ataon’ny Jirama izay miteraka fahasimban-javatra isan-tokantrano na any amin’ny toeram-piasana. Aman-taonany no efa lasibatr’izany ny mpanjifa ary be izay fatiantoka nahazo azy izay, fa tsy mbola nasian’ny mpitondra resaka mandraka ankehitriny. Na dia eo aza izany aloha hatreto dia mbola tsy afaka ny olan’ny vahoaka. Ny fotoana hivahan’izany ihany koa mbola any an-kibon’ny omby, ka tsy tokony hanantena ny maro fa efa be loatra izay resaka nataon’ny fitondrana nandiso fanantenana izay. Nisy izany tamin’ny andron’ny tetezamita izay nampanantenana ny amin’ny trano mora sy ny varo-mora hidina hatrany amin’ny 500 Ar sy ny menaka mora, sns… Hay ny menaka sy ny varin’ny Tiko tamin’izany no nataon-dry zalahy vary sy menaka mora.

Ny toky fitaka fa ny atao no hita, ary ny tranom-pody no vitan’ny vava, ka andrasana ny fivahan’ny olam-bahoaka indrindra ny fahantrany. Tsy hisy fiantraikany any amin’ny vilanin’ny isan-tokantrano ny fanenjehana ireo lazaina ho trondro vaventy amin’ny raharahana trafika samihafa izay atao vely vilany ny fampitana azy amin’ny fitaovan-tserasera samihafa, indrindra ny an’ny miara-dia sy manohana fitondrana. Tsy lavina, ilain’ny vahoaka izany kanefa tsy izany no laharam-pahamehana aminy. Ny ilainy maika dia ny sakafony ara-pahasalamana, ny fahasalamany, ny fitafiany, ny fianaran-janany, ny kitapom-bolany, ny fitoniana sy fandriampahalemany, na izy ao an-trano sy an-tanànany na eny an-dalana, na eny amin’ny toeram-piasany samihafa rehetra eny, sns…

Iray volana sy tapany mahery izany rehetra izany aloha mbola tsy misy tokontaniny na hita mangirana ao anatin’izao fitondrana Rajoelina izao.