EDITO 21 Febroary – Anto-bola 5 tapitrisa Ar – Betsaka no sahirana ireo kandida solombavambahoaka

Rajo

Amin’ny talata 26 febroary 2019 ho avy izao no fanombohan’ny fametrahana ny antontan-taratsy firotsahan-ko fidiana solombavambahoaka manerana an’i Madagasikara. Betsaka ireo te-ho kandida no efa manao endrika fampielezan-kevitra sahady ka mampahafantatra amin’ny olona fa ho kandida, eo ireo mody manao asa sosialy sy fanomezana etsy sy eroa sao mba lasa solombavambahoaka, ao koa ireo manao fifampiarahabana noho ny taona vaovao 2019 satria tsy mbola tara hono. Endrika ivelany avokoa ireo mba hisintonana sahady ny mpifidy azy amin’ny 27 mey ho avy izao.

Fa ankotry ny hoe voasoratra anaty lisi-pifidianana, nahaloa hetra, tsy mbola nisazy sns… no afaka miditra ho kandida, dia olana ho an’ireo kandida tsy natolotry ny antoko no sahirana amin’ny anto-bola 5 tapitrisa ariary amin’ity fifidianana ity. Manginy fotsiny ny vola lany amin’ny fampielezan-kevitra, ny fanotana bileta, ny fanomezana etsy sy eroa, sns… Miferotr’aina ny sasany nefa te-ho kandida sao mba ho tonga eny Tsimbazaza. Misy amin’izao fotoana no mivarotra fananana mihitsy aloha ary manantena ny ho lany. Sao lany ny fananana nefa tsy ho lany depiote akory, dia inona no mety hitranga ? Na hisara-bady satria nanao letrezana, na leo monina fa menatr’olona…