EDITO 16 Febroary – Ny mitazana no betsaka, ary tsy misy ny mpitehaka

Sôh’son

Manadio ny firenena ve izany izao ity fitondrana Rajoelina ity raha mijery ny toe-java-misy tato anatin’ny andro vitsivitsy tamin’ireo fisamboran’olona samihafa? Miteraka resabe eny anivon’ny fiaraha-monina ny fahitany izany amin’izao fotoana izao. Te-hiseho na te-haneho ihany koa amin’ny eto an-toerana sy ny any ivelany ve fa miasa izy ary miady amin’ny kolikoly sy zavatra tsy ara-dalàna samihafa?

N’inona n’inona aloha mety ho dikan’izany hatreto sy ny hita aloha, tsy misy mitehaka sy mitoraka voninkazo ny fitondrana. Midika zavatra be dia be izany fihetsiky ny olom-pirenena izany. Ny manaitra ny sain’ny mpanara-baovao dia mivatravatra fiavy izany ny fihetsika sy fanapahan-kevitra raisina amin’ireny olona voasambotra ireny. Ary ny mahavariana dia misy gazety mpanohana sy miara-dia amin’ny fitondrana manolo-kevitra sy mamporisika mafy izay olona tokony mbola hosamborina eto amin’ny firenena, anjaran’ny mpanao gazety koa ve izany?

Tena mampahatsiahy ny tamin’ny taona 2009 ny raharaha mitranga eto amintsika amin’izao fotoana izao. Tsy hahasoa ny firenena anefa raha mbola toe-tsaina tamin’ireny ihany no mbola hoentina mitondra firenena. Tsy hisy fampandrosoam-pirenena handeha amin’ny tokony ho izy izany eto. Traikefa efa hita izany teto amin’ny firenena…

Izao fihetsiky ny fitondrana Rajoelina izao ihany, raha ny fahitana ny zava-misy, dia mametraka ao an-tsain’ny olom-pirenena sy mampitandrina azy mba tsy handeha amin’ny tsy fahamarinana. Mety ho tsara ihany izany, saingy tsy adino velively ny tantara izay nahitan’ny vahoaka ny tsy fanekena ny hampanjakana izany eto amin’ny tany sy ny fanjakana, tamin’ny fitondrana Rajoelina rahateo nandritra ny tetezamita dia nanjaka ny kolikoly sy ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena.

Ankoatra izany, ireny niaraha-nahita ireny ny famoretana sy fanenjehana ireo vahoaka nitaky izany teny amin’ny kianjan’ny 13 Mey. Mbola mampieritreritra fatratra iny nitranga teto amin’ny firenena iny ary tsy mandehandeha ho azy rahateo koa ny fihetsika famoretana vahoaka mba tsy ipoiran’ny fahamarinana eto. Nodiana tsy hita anefa izany rehetra izany raha niroso ho amin’ny fanendrena sy fametrahana izao fitondrana izao ny manam-pahefana. Asaina mikimpy tsy hisaina sy hibanjina izany avokoa ny Malagasy rehetra, fa ny asesika ao an-tsainy andro aman’alina ny resaka fampanofinofisina rehetra izao.

“Teboka ratsy” no niaingàn’ny fitondrana ankehitriny ary sarotra ho an’ny maro ny hisaina sy hahita fihetsika avy aminy fa hitoetra amin’ny “teboka tsara” mifanohitra amin’izany izy.