EDITO 9 Febroary – Fampandrosoam-pirenena : manomeza modely hotarafin’ny vahoaka

Sôh’son

Raha tiana marina ny hanavotra ity firenena ity dia mila miova ny toe-tsain’ny mpitondra, ka hanome môdely ireo mpiara-miasa akaiky aminy sy ireo mpiara-dia aminy aloha.

Mbola hita taratra ihany mantsy ny fanjaitram-pamantaranandron’izy ireo mijanona any amin’ny taona 2009. Tsy hahavanona firenena anefa izany fa mila miova mahery vaika. Mila maka tahaka ny nivoarana sy nisandratan’ireo firenena aziatika maromaro, ka mamantatra ny lakilen’ny fahombiazany sy fototry ny nampandroso azy. Hiana-kendry noho ny hafa ny mpitondra ny firenena ankehitriny, ka manao izay mampanofinofy ny vahoaka eto tato anatin’ny fotoana mbola fohy nitondrany.

Tsy ho azo ianarana i Rwanda ary tsy ho afaka hihoatra azy isika raha ny foto-pisainana eto, fa aoka handalina tsara aloha ny filohan’ny Repoblika vao milaza ny ohatrana firenena. Tsy ho vitan’ity fitondrana Rajoelina ity velively ny hanaraka ny fomba nataon’ny filoha Paul Kagame, ka nampandroso an’i Rwanda. Mila manome ohatra modely mazava sy hitan’ny vahoaka ny filohan’ny Repoblika raha tiana handroso marina ny firenena. Asa aloha izay mpanolo-tsaina azy ao, ka tsy manoro mazava tsara azy ny antony nampandroso an’ i Rwanda. Ary mbola midehaka milaza hatrany fa tsy hisy toa azy ireo filoha rehetra nodimbiasiny, ka izy irery no mirehaka hahavita ny fampandrosoana ny firenena dia toe-tsaina lany andro izany ary tsy hampientana velively ny vahoaka manontolo.

Manomeza aloha môdely hotarafin’ny vahoaka, amin’ny fomba fiasa sy ny fomba fitantanam-pirenena mbamin’ny fihetsika amam-pitenenana rehetra. Fa raha mbola ny toe-tsaina tany amin’ny tetezamita no hoentina mitantana ny firenena ankehitriny dia sasara-ko hariva ny andro.