EDITO 5 Febroary – Antenimierampirenena – Resaka malety, nandehandeha indray

Helisoa

Tsy misy intsony ny adihevitra eto fa fitondrana vaovao no misy eto Madagasikara manomboka izao, ao anatin’izany raha ny tokony ho izy dia tokony ho zavabaovao no ho hita eto amin’ny firenena, na eo amin’ny toetsaina io na ny fomba fiasa. Raha ny zavamisy anefa ety am-piandohàna dia toa ny mifanohitra amin’izany ihany no hita satria toa ilay fitondràna fotsiny no miova, fa ilay fomba nisy teo aloha ihany no mbola manjaka.

Raha ny zavatra hita teny amin’ny Antenimierampirenena fotsiny no asiana resaka eto dia toa hita soritra ihany ny mety ho fisian’ny fizaràna malety izay nalaza be tamin’ny fitondràna HVM.

Mahalasa saina tokoa mantsy araka ny fandinihan’ny maro azy fa tena moramora mihintsy ny fandanian’ireo depiote miisa 100 latsaka kely fanolorana ny fahefana feno hanao didy hitsivolana misolo toerana azy ireo ho an’ny filoha napetraky ny CENI sy ny HCC, Andry Rajoelina. Toa manome basy namonoana ny tenany tokoa mantsy ireo depiote tamin’ny fandaniana iny volavolan-dalàna iny teny Tsimbazaza. Mahagaga ihany fa io lalàna io dia manome vahana ny fitondràna sady handidy no homana. 48 ny depiote MAPAR 1,2, 3 , rehefa nisaraka izy ireo dia lasa 26 sisa. Rehefa tonga anefa ny fifidianana io lalàna io dia lasa 95 ankoatra ny TIM no nandany ny lalàna.

Eto tsy mahagaga raha miteny ny olompirenena fa nisy ny MALETY mahagaga nanova ny fomba fijerin’ny depiote satria ny fifidianana koa ity volabe ny sarany haloan’ireo izay maniry hirotsaka. Sitrany ahay kosa aloha mba mahafaka izay ho afany e?