EDITO 2 Febroary – Varotana Antananarivo Renivohitra

Rajaonarimpanontsana

Varotan’ny Ben’ny Tanàna, hono, ny tany; amidin’ny Kaominina, hono, ny sekol , ny tsena fivarotana, ny Parking, ny trottoirs, eny hatramin’ny arabe manerana ny Renivohitr’i Madagasikara. Efa mankadilo ny sofin’ny mpanara-baovao ny maheno azy satria vaovao lainga sy tsy mitombina sady tsy marim-pototra no inian’ireo akaikin’ny fitondrana Rajoelina haely etsy sy eroa eny amin’ny gazety, na eny amin’ny tambazotran-tserasera hatramin’izay, ka hatramin’izao.

Aiza ho aiza ny Minisitry ny serasera manoloana izany fanelezana tsaho sy vaovao tsy marina izany, izay nilokaloka fa hanenjika ireo mpandika ny lalànan’ny fifandraisana? Sa rehefa ireo mpiara-dia aminy no manao izany dia voromailala, fa raha ny hafa vorondolo? Rehefa tsy azon’izy ireo amin’ny fifanenjehana ara-politika mantsy ny Ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana dia hosoram-potaka amin’ny endriny maro samihafa. Ny Ben’ny Tanàna rahateo olona be fitiavana amin’ny maha Reny azy, olona tsotra ary tsy ho tafiditra ao anatin’ny kilalao maloton’ny mpanao politika mihitsy fa dia ny asa fanatsarana ny tanàn’Antananarivo sy ny mponina hatrany araka ny nisafidianan’ny vahoaka azy no imasoany, mba hiadanan’ny Malagasy mpiray Tanindrazana aminy, Antananarivo soa iombonan’ny Malagasy hoy izy, ka izay hatrany no imasoany sy ny ekipany ao amin’ny fiadidiana ny tanàna. Ny miasa miaraka ary ny asa hatrany ihany no fantany araka ny baiko hentitra nomeny ny mpiara-miasa aminy, fa tsy lany andro amin’ny famaliana ireo tsaho sy lainga tsara lahatra afafin’ny sasany etsy sy eroa. Ilaina ny tsikera mahakasika ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, fa tsy ekena kosa raha ny famafazana lainga hamotehana olona manokana, na koa fankahalana miaro politika maloto.

Efa nasehon’ny Ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana sy ny vadiny, ny filoha Marc Ravalomanana ny lalana tokony harahana mba hiverenan’ny Demokrasia sy ny fandalàna ny soa toavina nandritra ireny fifamindram-pahefana ireny ary fampianarana tokony harahan’ny be sy ny maro izany. Ny hafa indray anefa toa minia manao lalan-dririnina hiverina amin’ny adilahy politika toy ny fanaony hatramin’izay.

Mazava ny tian’ireo mpankahala dia ny hanesorana ny Ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana eo amin’ny toerany amin’ny alalan’ny fomba tsy mendrika sy tsy ara-dalàna. Izany hoe fanonganana tsotra izao ny olona voafidim-bahoaka. Ny tena marina anefa dia ny fitondrana Tetezamita notarihan’izy ireo no tena nivarotra an’Antananarivo Renivohitra sy ny tany, ny harem-pirenena teto, hatrany amin’ny Faritany rehetra tany ary dia ailika any amin’ny Ben’ny Tanàna avokoa ny fomba ratsy nataon’izy ireo hatramin’izay. Tsy nisy na dia tany iray aza namidin’ny Kaominina teto ary tsy anjarany velively no manao izany. Ka aoka ny marina no lazaina amin’ny vahoaka satria tsy mendrika ny Malagasy ny famahanana lainga azy.

Izao dia efa manahy indray ny rehetra satria tafaverina ministra i Hajo Andrianainarivelo , tamin’ny tetezamita niarahany tamin-dRajoelina tokoa mantsy, hatramin’ny fananan’ny fiangonana dia nalainy, ka efa manahy ny rehetra fa mety mbola ho loza noho ny tamin’ny tetezamita no hafitsony.