EDITO 31 Janoary – Fitondran-dRajoelina: misy sahady ny endrika fanilihana sy fanavakavahana

Rajaonarimpanontsana

Efa miala any sahady ny endrika fanilikilihana sy fanavakavahana asehon’ny fitondran-dRajoelina, ka izay faritra nahazahoana vato be indrindra no tsidihana sy itondrana fanampiana tsy mahavita taona akory. Nihazakazahana ny faritra sasany tany atsimo andrefana sy atsimo toa an’i Beloha, Ampanihy sy ny manodidina ary dia natao nakotrokotroka ny fandraisana ny filoha Andry Rajoelina sy ireo delegasiona mafonja notarihany. Nitondrana mihitsy masoivoho vahiny maromaro sy teknisiana avy amin’ny mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny. Natao izany mba hilazana fa tena mpitondra mitsinjo ny vahoaka marina ny filoha.

Iaraha-mahalala fa angadin-dry zareo ny fihetsiketsehana tahaka ireny saingy vahaolana maika sady maharitra no tena ilain’ny mponina, fa tsy vonjy tavanandro toy ny mahazatra . Ilaina ny fitsidihana ny faritra tahaka ireny fa mbola eo koa ange ireo olona tra-boina sy namoy havana tamin’ny fihotsahan’ny tany sy dibo-drano tamin’ny faritra maro na teto Antananarivo Renivohitra, na tany amin’ny faritra maro hafa. 28 no namoy ny ainy, an-jatony ny tsy manan-kialofana ary efa mahatratra an’arivony no tra-boina sy voatery nandao ny fonenany. Tsy tonga nijery tava azy ireo ny filoha Andry Rajoelina na dia ny teto ambany masony aza, fa solontena fotsiny no nalefa. Toa manao ny ambany maso tsy mba misy kilema ny fahitana izany.

Koa satria ve tsy nahazoana vato be ireo faritra ireo dia tsy dia ilaina loatra ny fahatongavana hifanatrika amin’ireo niharam-boana ireo? Filohan’ny vahoaka iray manontolo anefa ny filoham-pirenena ary heverina sy antenaina mba tsy handairan’ny fanahy ratsy omen’ireo mpanolotsaina sadasada manodidina azy ireo. Iray amin’ny fanilihana nitranga ohatra no hita tany Mahanoro , dia ny tsy nandraisana ny fanampiana natolotry ny mpandraharaha iray tao an-toerana, nandritra ny lanonana nokarakarain’ny Depiote Mapar voafidy tany an-toerana, ho fisaorana ny vahoaka noho ny vatobe azon’ny kandida laharana 13. Tsy ny Mapar anefa no voalaza fa sakana fa baiko avy any ambony no nidina nanao izany fihetsika mamoafady izany.

Mipetraka eto ny fanontaniana manao hoe: izay àry ilay olona any ambony nanome izany baiko masiso izany? Izay foana ilay fomba mamotika ny mpitondra hatramin’izay kanefa vao iray volana latsaka kely nipetrahan’ny filoha vaovao monja dia efa mitranga sahady ilay toetra mamohehatra. Aza gaga isika raha mahatsiaro ho voahilika ny faritra sasany ary malahelo satria mba nanantena fa hisy amin’izay ilay fanovana haingana avy amin’ilay velirano nodradradradraina. Enga anie ka tsy hiverina eto amin’ity firenena ity intsony izay fomba tsy mendrika ao an-dapa ao izay.