Hamaky ny tohiny: Ny Valosoa Vaovao 31 Janoary 2019
LAHATSORATRA FARANY
TOETRANDRO ANDROANY
Iza ny CENI Madagasikara?
COMMISSAIRES ELECTORAUX ET MEMBRES DU BUREAU PERMAMENT
1.Hery RAKOTOMANANA Président de la CENI
2.Thierry RAKOTONARIVO Vice-Président
3.Hervé ANDRIAMANANTSOA Vice-Président
4.Olivier RAMAHADISON Vice-président
5.Ernest RAZAFINDRAIBE Rapporteur
6.Fano RAKOTONDRAZAKA Rapporteur
7.Fanomezantsoa RAKOTONIRINA Conseiller
8.Charles RANDRIAMANANA Conseiller
9.Maria RAHARINARIVONIRINA Conseiller
SECRÉTARIAT EXECUTIF DE LA DIRECTION DE LA CENI
1.Jean Victor RASOLONJATOVO Secrétaire Exécutif
2.Hanitra Liliane RAVAOHARINIRINA Secrétaire exécutif adjointe
3.Haja RATSIMBAZAFAFY Directeur des affaires administratives et financières
4.Juckely André BOTO Directeur des études, de la planification, du suivi évaluation et de la formation
5.Louis de Gonzague RAKOTONIRAINY Directeur de l’éducation électorale et de la communication
6.Abdon ANDRIANTSIFERANA Directeur des opérations électorales
7.Heriniaina RAKOTOVAO Directeur du système informatique
8.Robby MAHAVANY Directeur de la sécurité
9.Jean-de-Dieu RAVELOSON Directeur de cabinet du Président
CHEFS DE SERVICE DE LA CENI
1.Elie Johns VELOTONGA Chef de service
2.Safidy RANDRIAMIARIMANANA Chef de service
3.Bakoly RANDRIAMAMPIELY Chef de service
4.Catherine TOVOSON Chef du service
5.Jean-Yves RAKOTOMAMPIANINA Chef de service
6.Jemima RANDRIANARIMANANA Chef de service
7.Sariaka ANDRIATSIMIALA Chef du service
8.Augustin RAKOTOMANANA Chef de service
9.Mahefarison RAKOTONIARY Che de service
10.Ismaellia ANDRIAMBOLANIERY Chef du service
11.Zakarison RAKOTONDRAINIBE Chef du service
12.Andriamamitiana RAVOJAHARISON Chef de service
13.Tsiry RAMANGALAHY Chef de service
14.Manitra RALAY Chef de service
15.Christian ANDRIANJAFY Chef de service
16.Vanona RANAIVOASIMBOLA Chef du service
17.Viviane RABOBA Chef du service
18.Lanto RAZAFINDRAKOTO Chef du service
19.René RASOLOARIJAONA Chef du service
PROTOCOLE DE LA CENI
1.Carl RANAIVONIRINA Chef du Protocole
2.Stella RAZANAKOLONA Chef du Protocole adjointe
3.Mirana MAMIARISOA
4.Sidonie NIVOARILALA
5.Sabbat HENINKAJA
6.Noro Hariseheno RATSIFANDRIMANANA
7.Julia Viviane RAHARILALAO
8.Toky Manaja RAMANANTSOA
9.Soloarisoa OLINIAINA
10.Tsiky RANDRIAMANANTENA
11.Prisca RALAINOROTIANA
www.gvalosoa.net/2019/12/09/iza-ny-ceni-madagasikara/ ... TohinyFintinina
5 ora lasa
- Likes: 15
- Shares: 6
- Comments: 1
Mivavaka @ ireo lefitra ireo I Rakonarivo Thierry. Sa ve izy no tena mahay ny tokony hatao?
NY FIFIDIANANA NISESY TETO MADAGASIKARA
Efa masaka ny tetika fony tany am-panomanana,
Fa kendrena ny hampandresy ny maloto sy tsy marina.
‘Ndreo nampiasa ny talentany ny komitim-pifidianana,
Efa fantatra mialoha hoe iza moa ireo tiany hakarina.
Lisitra efa nofaranana, tsy azo ampiana sy analàna,
Dia nanaovany hevi-petsy , mbola sahiny namboarina.
Asa loatra na dia jamba ireo ilay hoe “mpahay lalàna”,
Na voatamby volabe ka notakonany ny marina!
Ireo nikasa ny hampitaha dia namoronany paikady
Fa hoe tsy azo tanterahina izany fikasana izany.
Manahirana ,hono, mantsy sady tena “saro-pady”.
(Toy ny te hiteny hoe: ”mangina fa ‘zay tianay ihany”!)
Izany raha vao fifidianana eto Madagasikara.
(Vola hatrany no manjaka, koa ataovy ny ampamoaka.)
‘Ndeha ravao ilay komity izay natao hikarakara,
Fa mamily sy manova ny safidinay vahoaka!
DADAN’i ZINA (08-12-19)
www.gvalosoa.net/2019/12/09/ny-fifidianana-nisesy-teto-madagasikara/ ... TohinyFintinina
5 ora lasa
💩👎🏻
🤮🤮🤮🤮
Satrok ko re izao! 😂😂😂
Marina be
Manamboninahitra 👍👍🐒🐵🐺🐶🦍🐷
Masosotay b
Mendrika kosa kooooo
Tsara bonnet kosa zalah koh.kkkk
RMDM – Miverimberina ny fanitsahana lalam-panorenana ataon’ny fitondrana Rajoelina
Nangonin’Isambilo
Manoloana ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana, indrindra tao aorian’ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina lasa teo, ka maha be resaka ny rehetra hatramin’izao, misy ny fanambarana avy amin’ny RMDM, na ny Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara: ny RMDM dia,
Mampahatsiahy ny fehin-kevitra fototra momba ny demokrasia, izay hita ihany koa ao amin’ny Lalampanorenana ao amin’ny Andininy Faha 5 : « Ny vahoaka izay ipoiran’ny fahefàna rehetra no masi-mandidy, ka mampiasa izany amin’ny alàlan’ny solontenany lany amin’ny alàlan’ny fifidianana andraisan’ny rehetra anjara mivantana na tsy mivantana, na koa amin’ny alàlan’ny fitsapan-kevi-bahoaka ».
Manamafy ny fankatoavany ny demokrasia, ny fahaiza-mitantana, ary ny fanajana ny tany tan-dalàna izay antoky ny maha marin-toerana ny fitondrana sy ny fampandrosoana amin’ny lafiny sosialy sy toekarena eto Madagasikara.
Maneho ny ahiahiny manoloana ny fitontongan’ny toe-draharaha amin’ny lafiny sosialy sy ekonomika, singanina manokana amin’izany ny fitombon’ny fahantran’ny Vahoaka Malagasy, sy ny tsy fahafahan’ny fanjakana manatanteraka ny zavatra tena ilain’ny mponina amin’ny famatsiana rano fisotro madio, herinaratra, ary amin’ny fiantohana ny fandriampahalemana.
Velona ahiahy mafy manoloana ny fanitsakitsahana miverimberina ny lalàna fototra velona eto amin’ny tany sy ny firenena ataon’ny mpitondra isan’ambaratonga nandritr’ireo fifidiana nifanesy, an’isan’izany ny fifidianana monisipaly natao tamin’ny 27 novambra 2019, mahatsapa ary velona ahiahy nohon’ny tsy fisian’ny fanjakana tan-dalàna eto
Madagasikara, satria na dia ny Filohan’ny Repoblika aza dia nitokana ny Kianjan’i Barikadimy tao Toamasina tamin’ny 24 novambra 2019, tena mbola tao anatin’ny fotoana fampielezan-kevitra mihintsy. Ampahatsiahivina eto fa ny Andininy Faha 61 ao amin’ny Lalàna 2018-008 dia milaza fa « toute inauguration officielle est interdite pendant la durée de la campagne électorale».
Mampahatsiahy ny andininy faha 42 ao amin’ny Lalàna Fehizoro 2018 – 008 mikasika ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka : « Raha tsy misy fanovàna avy amin’ny Président du Tribunal de première instance, dia ny lisitry ny mpifidy nofaranana tamin’ny faha 15 ny volana may amin’ny taona resahina ihany no manankery amin’ny fifidianana rehetra mandritry ny taona itsahina ary manankery hatramin’ny faha 15 may amin’ny taona manaraka ». Tamin’ny fifidianana monisipaly tamin’ny 27 novambra teo anefa dia tsy voahaja izany lalàna izany, satria ny lisitry ny mpifidy nampiasaina dia hafa, fa tsy ny lisitra nampiasaina tamin’ny fifidianana Solombavambahoaka tamin’ny 27 may 2019.
Velona ahiahy mafy ny RMDM, satria niaiky am-pahibemaso ny CENI nandritry ny valandresaka tamin’ny mpanao gazety nataon’ny filoha lefitra Thierry Rakotonarivo tamin’ny 29 novambra 2019 tamin’ny fanazavany ny momba ny tranga mikasika an’i Pasitera Lala Rasendrahasina. Voalazany tamin’izany fa « Efa nifindra trano i Pasitera, ny sefo Fokontany no nilaza taminay ary izahay (ao amin’ny service informatique) no nandray ny fepetra». Izay fanekena ampahibemaso ny fanovana ny lisitry ny mpifidy, izay no porofo tsy azo lavina mikasika ny fandikana ny Andininy Faha 42 ao amin’ny Lalàna 2018-008 voalaza etsy ambony ankoatry ny porofo hafa eo am-pelatananay.
Mampatsiahy ny Andininy Faha 10 ao amin’ny Lalàna 2018-008, fa « le Registre électoral
national est permanent et public. Le Registre électoral national est accessible à tous et à tout moment ». Mahatsapa fa leo ny mpifidy nanoloana ny tsy fanarahan-dalàna marobe, ka mahatonga azy ireo tsy hiraika amin’ny fifidianana (tahan’ny fandraisan’anjara mihena foana) ary mahatsapa fa maro ny olona tsy afaka nifidy satria nisy fanovana ny lisitry ny mpifidy, nefa nisy mpifidy hafa nampidirina tsy ara-dalàna ao anaty lisitra.
Noho izany ny RMDM dia
1. Manameloka an-kitsirano ny fanitsakitsahana miverimberina ny Lalampanorenana sy ny lalàna velona eto amin’ny tany sy ny firenena ataon’ny mpitondra ;
2. Manamafy ny finiavany hiady amin’ny hosoka mikasika ny fifidianana ary tsy hangina intsony manoloana ny fanodinkodinana ny fikarakarana ny fifidianana eto Madagasikara ;
3. Mamaky bantsilana ny fanovana ny lisitry ny mpifidy nataon’ny CENI, ahafahana manao hosoka amin’ny fifidianana ary hampandaniana kandidam-panjakana.
Manamafy ihany koa fa ny CENI dia tsy nahaleo tena mihintsy hatramin’izay tamin’ny fanapahan-keviny sy ny asa nataony ;
4. Manentana ny olom-pirenenan hitaky ny zony (izay voafaritra ao amin’ny Lalampanorenana nefa voahitsakitsaky ny mpitondra) ary mbola hanome anay hatrany ireo porofo voahangony mikasika ny hosoka tamin’ny fifidianana ;
5. Mangataka ny fanafoanana ny fifidianana monisipaly tamin’ny 27 novambra 2019, izay feno hosoka ary handray andraikitra hanao izay tokony ho atao amin’izany amin’ny fitondrana ny raharaha eo amin’ny tomponandraikitra mahefa ara-pitsarana.
www.gvalosoa.net/2019/12/09/rmdm-miverimberina-ny-fanitsahana-lalam-panorenana-ataonny-fitondrana... ... TohinyFintinina
5 ora lasa
Marina no coment mbola ho sahy hanao toy NY hcc ve NY taf tsy rariny intsony ry ceni a NY heloia hibaboana mody rariny
TSY RARAHINY VOLOMBOASARY IZANY FA NY AZY IHANY NO MARINA
... TohinyFintinina

FARITRA MENA MAHAJANGA
ARAKA NY FIVORIAN'NY CNGRC:
🚩TSY MIANATRA NY MPIANATRA ARY TSY MIASA NY MPIASA RAHAMPITSO 09/12/2019
🚩 MIHAINOA VAOVAO TSY TAPAKA
🚩SAMIA MIVONONA: IZAY MIPETRAKA @FARITRA IVA, MIFINDRA @TOERANA AVO
🚩 HAMAFISO NY TRANO
AMPITAMPITAO
BON COURAGE JIABY
12 ora lasa
Mankasitraka ny vahoaka Malagasy rehetra erantany mandray andraikitra mijoro sy miady ho an’ny fahamarinana ary manohitra ny fanitsakitsahana ny safidy, ny zo sy ny hasina maha-olompirenena.
Manainga ny olompirenena rehetra hijoro sy hitsangana hiaron ny safidiny.
Manainga ny CENI hiroso amin’ny fampitahàna ny lisi-pifidianana izay takian’ny be sy ny maro.
Manainga ny fitsaràna mba tsy hiandany ary hitsara araka ny fahamarinana.
Tsy mila vokapifidianana hosoka ary mila saziana ireo mpanao hosoka. Ampy izay ny halabato. Aoka izay ny halabato. ... TohinyFintinina

.
22 ora lasa
tsy ireo fotsiny ny malagasy ao ! be malagasy koa eto madagasikara fa tsy tei belair , maro hatraiza hatraiza. MAHAKIVY ! hihomehezan'i boaileky fotsiny .
Bien tout ça mais insuffisant. La masse elle même doit énorme pour nous faire entendre rh
Ra nangalatr akoh 1 v mitovy namaki banque
Rotsaka amin zay eh
🇲🇬 Nihaona androany tany Frantsa ny Filoham-pirenena teo aloha mirahalahy Atoa MARC #RAVALOMANANA sy Atoa HERY #RAJAONARIMAMPIANINA ... TohinyFintinina
1 andro lasa
Ireo no Filoha hendry sady mivavaka mitsinjo hatrany ny hahasoa Firenena na dia enjehina sy haratsian'ny bibidia mpambotry firenena aza!
Mazava ny tenin’i Me Hanitra.Ady amin'ny tsy fahamarinana no atao fa tsy fanakorontanana. Tsy olan'ny antoko TIM irery intsony ny fahalovana nitondrana ny fifidianana farany teo fa nihatra tamin'ny ankamaroan'ny olom-pirenena mihitsy. Tsy teto an-drenivohitra ihany fa nanerana ny nosy mihitsy. "Tonga miaraka" ny vahoaka androany "ho fanombohana" ny ady. Tena nifanomezana teto Belair kosa fa manomboka eto dia "miasa miaraka ho fahombiazana" amin'ny fampahafantarana ireo tsy fanarahan-dalàna niniana natao hampandresena ireo kandida miaraka amin'ny fitondrana. Handrafitra ny paikady rehetra ireo mpitarika. Ny tsirairay kosa hanao to-tsofina amin'ny manodidina mba ho sahy hijoro manoloana ny halatra ka ho vonona hatrany amin'ny tohin'ny tolona. Manoloana ny vaovao tsy marina niniana naely momba ny fivoahan'ny Filoha Nasionalin'ny TIM any ivelany dia nazava ny valin-kafatra avy amin'ny solombavambahoaka Fidèle Razara Pierre. "Tsy ho zakanareo izay ataon'ny Filoha Ravalomanana any ivelany any" hoy izy. Nijoroany vavolombelona moa fa isan'ny niteraka olana tamin'ny fitondrana tetezamita ny fahafahan'ny Filoha Ravalomanana mifampiresaka amin'ny vondrona iraisam-pirenena isan-tokony. "Ary mbola olana hoanareo io hatramin'izao" hoy hatrany ny Depiote TIM voafidy tao Ambatondrazaka raha nampita hafatra tamin'ny fitondrana izy, "satria homena ireo mpiara-miasa amintsika ireo ny vaovao marina mahatonga anay tsy tafandrimandry toy izao".
Fantatra moa fa tafapetraka, teny amin'ny Fitsarana misahana ny ady amin'ny fanjakana, io maraina io ihany koa ireo fitoriana rehetra nataon'ny kandida N°2 Rina Randriamasinoro . ... TohinyFintinina
1 andro lasa
Mankasitraka e! ... TohinyFintinina
1 andro lasa
CENI – Hikiribiby hamoaka voka-pifidianana tsy manjary
Helisoa
Re ankehitriny fa hikiribiby hamoaka voka-pifidianana vonjy maika sy tsy ofisialy ihany ny CENI, ho an’ny Faritanin’Antananarivo ny alatsinainy 9 desambra 2019 ho avy izao, manomboka amin’ny 9 ora maraina, eny amin’ny foiben-toeran’ny CENI Alarobia na maro be aza ny zavatra tsy nanara-dalàna nandritra ny fifidianana ben’ny tanana ny 27 novambra lasa teo, na azo lazaina fa tsy manjary aza izany fifidianana izany.
Hita mibaribary ny nikitihana ny lisi-pifidianana izay nahavery zo mpifidy marobe araka ny fanambaràna nataon’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) nandritra ny valandresaka nataon’izy ireo tamin’ny mpanao gazety tao amin’ny foibentoeran’ny antoko TIM, Bel’Air Ampandrana ary porofo efa amin’arivony no hita mahakasika izany. Nisy ny noesorina tao anaty lisitra ny anarany, nisy ihany koa ny nifanohitra tamin’izany satria nampidirana naran’olonkafa nisolo toerana azy ireo.
Nangataka ny kandidà hanaovana fampitahana ny lisitra nifidianana depiote sy ny lisitra voasonia nifidianana ben’ny tanàna. Fandàvana hatrany anefa no nasetrin’ity rafitra mikarakara ny fifidianana ity ny fangatahana nataon’ny TIM, satria tsiambaratelo hono ny lisipifidianana fa tsy natao ho an’ny be sy ny maro. Atsipiny any amin’ny hafa tao anatin’izany ny tsy fahombiazany amin’ny famaliana miharo hatezerana. Re hatramin’ny teny tsy voahevitra hoe hampanao fanadihadiana hono!
Raha ny tena marina dia ny CENI mihitsy no tokony hanao fifonana faobe amin’ny vahoaka Malagasy satria fototry ny korontana tamin’ny fifidianana nifanesy teto. Tsy afa-manoatra tamin’ny resaka basy marovava sy ny be baoty ary ny “azo raisina fa tsy mitombona” ireto farany, ka nangina. Misy farany anefa ny zavatra rehetra fa ny vahoaka kosa tsy hiharitra ny maimbo mandrakizay eo.
www.gvalosoa.net/2019/12/07/ceni-hikiribiby-hamoaka-voka-pifidianana-tsy-manjary/ ... TohinyFintinina
2 andro lasa
Hipoitra tokoa anie ny marina! ... TohinyFintinina

2 andro lasa
Merci RIJA
Andriamanitra o, mpiodina aminao ny Malagasy fa manaiky anao amin'ny molony kanefa ny fony lavitra anao. Aza avela hikasika ireo mitoky aminao ny sabatry ny hatezeranao fa mamindra fo amin'ireo mpanao mizana mandainga sy vato tsy marina kanefa aoka ho vain'afo eo andohany ny ratsy fanaony ka hanehoanao ny voninahitrao izahay mpanomponao na hoela na hohaingana. Amen
Ho hita eto indray ny fomba fiasan'ny MPITSARA MALAGASY, hitsara ilay lisim-pifidianana tsy mitovy.
Eeee, mampalahelo isika😭 inona no iraharahiny izay fitoriantsika e!? Azo raisina fa tsy mitimbona daholo, aza manatena tsy misy fa mionona de aleo Andriamanitra hanao ny asany , fa misy farany ny zava-drehetra
misaotra aloha aimin'izay. fa mila hetsika afa koa . ohatra hoe averina ny sarisarin'ny fifidianana . izay rehetra manana CNI dia afaka tonga mifidy dia ho ita eo ny marina
Rah tsy hataon fanjakan ho fitsaran az sam rery otrn CENI indray ku le fitsaran et amtsik
Ho hitantsika eo na misy izany fitsarana izany eto Madagascar
Ceni fona ,,,,,,,kely ny finona loan atreto
AMEN ANDRIAMANITRA Ô! AOK HITSARA @ FAHAMARINANA IREO MPITSARA IREO MBA HITSARA @ RARINY SY NY HITSINY FA NY ASAN MAIZINA DIDINA TSY ANANKERY @REO MPITSARA IREO NEFA AOKA TSY NY SITRAPONAY NO HATAO FA NY ANAO🙏
Mankahery Mr Rija dia mirary soa anareo @ KG ao e
Ataovy iany aloh e🤭🤭🤭🤭🤭🤭🤭🤭🤭🤭
Mila manana paik'ady hafa ian fa reo nge ka ts hanaiky mora foana eo...
Mino fotsiny fa alep jehovah no hiasa
EDITO 7 Desambra – Fitondrana Rajoelina – Mikatsaka hampihitsoka ny firenena anaty tsy fahamarinana
Sôh’son
Misy olona eto faly amin’izay hampihitsoka lalina ny firenena ao anaty tsy fahamarinana dia ny fitondrana Rajoelina izany. Ireo olona ireo, ao anaty sokajy na vondron’olona no miezaka mihazompahefana eto amin’ity firenena ity. Efa hita izao ary miharihary toy ny vay an-kandrina ka sady maharary no mahamenatra, ny toe-javatra mitranga, dia mbola ikimpiana sy hifaliana ihany.
Tamin’ny tsy fahamarinana no niaingan’ny fifidianana filoham-pirenena, nanao tohi-vakana hatraty amin’izao fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolotsaina izao. Ireo olona ireo tsy afaka handà velively fa tsy madio marina ireo fifidianana ireo. Ireo anefa no ireharehany ankehitriny. Faly amin’ny zavatra tsy marina. Niarahan’ny vahoaka nahita anefa ny zava-nisy tamin’ny andro fifidianana farany iny nampitain’ireo haino aman-jery samihafa. Tsy ilana fanazavana amin’ny vahoaka izany, fa efa niharihary ny tsy fahamarinan’ny fifidianana. Izay mandiso izany dia tena manao ny vahoaka ho zaza azo ambakaina lava izao. Ny olona manana izany fisainana izany no tena fositra manimba sy mampikorosy ity firenena ity.
Tsy adino velively, fa mipetraka ho tantaran’ity firenena ity, ny hetsika nataon’ny vahoaka teny amin’ny kianjan’ny 13 Mey nitaky ny fahamarinana. Antsoantso sy hetaheta ny amin’ny hamoahana ny marina amin’ny fifidianana no nataon’izy ireo tao anaty andro maromaro. Niaraha-nahita tsara anefa ny antsojay nanaovana azy ireo, izay midika mazava tsara fa tsy tiana ny hivoahan’ny marina ary tsy tiana ihany koa ny hahafantaran’ny vahoaka izany marina izany. Izany hoe ny tsy fahamarinana ihany no tiana halentika ao an-dohan’ny vahoaka sy hiainany eo anivon’ny fireneny mandritry ny androm-piainany.
Mazava loatra fa tsy rariny sy tsy hitsiny izany. Ary ny tena fisainana lomorina ao anatin’izany, rehefa tenenina toy izao izy ireo, dia tsy manan-tsaina afatsy mitodika mijery ny hafa haingana, ka manao fampitahana aminy eo, avy eo dia ailika any ny rihitra, fa tsy mahatsiaro tena ho diso velively. Toetsaina efa tena lany andro tanteraka izany ankehitriny satria efa hita tsotra izao fa tsy mampandroso firenena. Milaza ny tenany ho mikatsaka fampandrosoana izy ireo, satria mieboebo ho eo amin’ny fitondrana. Ity toe-tsaina tsy tia fahamarinana ity anefa mitarika azy ireo hihemotra. Dia mazava loatra fa tsy hisy fivoarany velively ny firenena fa mihodinkodina fotsiny eo.
Tsy afaka hampandroso firenena velively ny olona velomin’ny tsy fahamarinana na hihodin-kavia na hihodin-kavanana. Ny hoavin’ny taranaka any aoriana ihany koa dia tsy hanjary satria faka ratsy no nampaniriana hamoa ravina sy voany hiotazan’izy ireo. Tsy mendrika izany anefa ny taranaka fara amandimby.
www.gvalosoa.net/2019/12/07/edito-7-desambra-fitondrana-rajoelina-mikatsaka-hampihitsoka-ny-firen... ... TohinyFintinina

gvalosoa.net
Sôh'son Misy olona eto faly amin'izay hampihitsoka lalina ny firenena ao anaty tsy fahamarinana dia ny fitondrana Rajoelina izany. Ireo olona ireo, ao anaty sokajy na vondron'olona no miezaka mihazompahefana eto amin'ity firenena ity. Efa hita izao ary miharihary toy ny vay an-kandrina ka sady maha...2 andro lasa
[FILAZANA MANOKANA MOMBA NY RIVODOZA NY 07 DESAMBRA 2019 TAMIN'NY 10 ORA MARAINA]
Lasa Cyclone Tropical i BELNA izao maraina izao.
Tamin’ny 09 Ora teo dia:
✅Any amin’ny 370 Km Avaratra somary Avaratra Andrefan’Antsiranana na 426 Km Avaratra somary Avaratra Andrefan’ny Nosy be no misy ny foibeny.
✅Niakatra ho 120 Km/ora ny rivotra entiny izay arahina tafiotra 170 Km/ora.
✅Mikisaka mianatsimo Andrefana ny diany ka mahafaka 11 Km/ora.
✅Hitombo hery hatrany izy ato anatin’ny 02 andro ho avy ka mety ho lasa Cyclone Tropical Intense.
✅Tsy miova ny tombana fa dia manambana ny tapany Avaratra Andrefan’ny Nosy izy ka vinavinaina hiditra antanety amin’ny Morotsiraky BOENY ny harivan’ny Alatsinainy 09
Desambra 2019
Noho izany dia miova ho toy izao ny filazana loza :
📒Miloko Mavo : Nosy be, Ambanja, Analalava, Antsohihy, Boriziny, Mampikony,BOENY, MELAKY;
📗 Miloko Maintso : Antsiranana I-II, Ambilobe, Bealalana, Befandriana Nord,Mandritsara, BETSIBOKA, BONGOLAVA, Antsalova ary MENABE.
Entanina araka izany ny mponina mba hanaraka tsara ny toromarika omen’ny Manam-
pahefana eny ifotony.
Ny mpampiasa ranomasina amin’ny morontsiraka Avaratra manontolo dia entanina mba tsy hiandriaka intsony hihamafy ny fitsoky ny rivotra.
Manasa antsika hizara ny vaovao
~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~
[BULLETIN CYCLONIQUE SPECIAL DU 07 DECEMBRE 2019 A 10 HEURES LOCALES]
BELNA s’est intensifié en Cyclone Tropical.
✅Son centre est positionné à 09 heures locales à 370 Km au Nord-Nord-Ouest d’Antsiranana ou 426 Km au Nord-Nord-Ouest de Nosy be.
✅Elle se déplace vers le Sud-Ouest à 11 Km/h.
✅Le vent moyen monte à 120 Km/h avec des rafales de 170 Km/h.
✅Ce rythme d’intensification est prévu se maintenir dans les deux prochains jours l’amenant au stade de Cyclone Tropical Intense. Il est prévu atterrir sur la côte de BOENY dans la soirée du Lundi 09 Décembre 2019.
En conséquence, le niveau d’alerte est modifié comme suit :
📒 Alerte Jaune : Nosy be, Ambanja, Analalava, Antsohihy, Boriziny, Mampikony, BOENY, MELAKY;
📗 Alerte Vert : Antsiranana I-II, Ambilobe, Bealalana, Befandriana Nord, Mandritsara, BETSIBOKA, BONGOLAVA, Antsalova ary MENABE.
Les populations menacées sont priées de suivre attentivement les consignes émises par les Autorités locales.
Les usagers maritimes des côtes Nord sont priés de ne plus s’aventurer en mer car le vent se renforcera progressivement.
On vous invite de partager l'info ... TohinyFintinina
2 andro lasa
Vidio ny gazetintsika NY VALOSOA VAOVAO androany Sabotsy 7 Desambra 2019.
Ho hitanao koa ao amin'ny www.gvalosoa.com na www.gvalosoa.net ... TohinyFintinina
2 andro lasa
Manana fotopisainana sy toetra tsy afaka ny mahatsapa ny mety sy ny tsy mety ataony tena izay ny maro @ tsika eto Madagasikara (fa tsy ny Malagasy ihany) hany ka tsy mahagaga raha tsy mety tonga saina fa mamikitra lava @ javatra mahafaty ny tena ihany. Asa inona ny olana raha entina ampahatsorana sy entina @pahaizana ity firenena ity dia samy hiadana daholo.
Izay mitambatra vato! Ny firaisankina no hery.
Ady ho an’ny fahamarinana izao! ... TohinyFintinina
3 andro lasa
tsy te hamalakira aho fa be ny tsy faly nefa be koa ny tsy tia politika ka tsy te hoany belair. hevitra ihany hatsipy e ! tokiny hifandray tanana daholo izay tsy faly @ toe javatra. mivoaka ny tranony eo amoron-dalambe fotsiny ny tsirairay dia dia mifampitantana tsy tapaka miseho fa miray hina ary iny lavabe hatrany atsimo, andrefana, avaratra atsinanana samy mandeha @ izay tandrify ny fonenany. Cordon sy banderole ka izay mpandray andraikitra no harovan'io hatrany @ izay alehany. misaotra mamaky
Hiray hina isika rehetra hanohitra izao halabato izao! ... TohinyFintinina

3 andro lasa
Tsy niteniteny foana akory ny NTAOLO razambe hoe ny akanga maro tsy vakin'hamboa. Tena potika2 ny malagasy.. Miady miaraka @herin'Jesoa fa tena feno ny hevitry satana ny mpanao politika. Manangona2 dia manangona tsy mjery ny madinika mihitsy
Zany mihints,olona nangina nanjary niloabava mihints
LANY HENATRA TANTERAKA …
Lany henatra tanteraka ny komitim-pifidianana,
Ka manohy ny fomba ratsy izay nataony teo aloha.
Re fa mbola nokitihiny ny lisitra efa nofaranana,
Hoentina mba hampandany iretsy olon`ny filoha !
Tena tsisy zava-marina ny rehetra izay ataony,
Tsy arakaraky ny vava sy ny teny izay teneniny.
Hosoka sy hala-bato, izany izao no kilalaony.
Tsisy zavatra mandeha satria ny marina nafeniny!
Ireo mikasa ny hampitaha dia noteneniny sahady
Fa hoe tsy azo tanterahina izany fikasana izany.
Manahirana ,hono, mantsy sady “tena saro-pady”,
Toy ny te hilaza hoe: “mangina fa `zay tianay ihany!”
Lany henatra tanteraka ny komitim-pifidianana,
Very anarana mihitsy ilay hoe “olon`ny lalàna”.
Ireny ve no tena nianatra izany atao hoe “fitantanana”,
Sao dia tena hoe tampohiny mba nahazo fahefana?
Efa intelo tsy nahomby ireo nikarakara ireo,
Ka mila esorina tanteraka, raha tenenina mivantana.
Ny handeha hifidy mihitsy no efa tena mankaleo
Raha mbola olona tsy marina no tendrena ho mpitantana.
DADAN’i ZINA (06-12-19)
www.gvalosoa.net/2019/12/06/lany-henatra-tanteraka/ ... TohinyFintinina
3 andro lasa
N ten naagaga anah de we ts doublons on rh ny numero n karatra iany no mitovy satr betsaka ony ny numero karatra mitovy, f rh mitovy on n anarana sy n numero karatra no atao we doublon, kkkkkkk, ngah mis numero karatra mitovy zn eto antany????
ampiharo ny lalana gadrao dia hesorina ny fanana azo tain ny hala-bato hatramin izay tsy misy ambon ny lalana eto izay mpanome koa hampidiro miaraka aminy
Tsisy problèmes raha esorina aza iz fa efa vita n mission any,
Takony @ le vola azo t@ gony famarinana
gaga elà
D oesorina fotsn v?
Tsy misy olona ambonin’ny lalàna na iza izy na iza! ... TohinyFintinina
3 andro lasa
Efa meloka sahady ianareo ry CENI, efa meloka sahady ianao ry Hery Rakotomanana eo anatrehan’ny olompirenena tsotra amin’izao fiziriziriana tsy manaiky fampitahana lisi-pifidianana tamin’ny solombavambahoaka sy lisi-pifidianana tamin’ny ben’ny tanàna teo.
Tsy ho tantinareo ny hatezerana sy ny alahelom-bahoaka.
Lanzelo ... TohinyFintinina
3 andro lasa
🤮🤮🤮🤮🤮
ny alika jamban taolana ,fa ceni kosa jamban iona re e?
Tena efa tsymisy tahotra sy henatra tsony reo e!
Bien dit..
Tsy MAHALALA menatra reto olona reto a
Fifidianana maloto tsy ekenay! ... TohinyFintinina

Hita omaly ny Lisitrin'ny mpifidy avy tao @ fokontany Ambohimanarina lokoho, izay nisy nanary antsokosoko.
Izany hoe rehefa niala tao @ fokontany Ambohimanarina io lis-pifidianana io naterin'ireo membres bureau de vot tany @ Commune dia voahatitra soamantsara, fa araka ny ahiahy dia ireo solontenan'ny CENI izay mpitondra dossier mankany @ Bureau Sambava ihany no nanitrika io lisi-pifidianana io tao @fanaovana maloto(pipi) ambadikiny bureau commune maroambihy. Fa kosa...
3 andro lasa
Iza ndray zao no ambadika ny zao ka
izao ny vokany rehefa tsisy lalàna, tsisy fanjakana. LOZAAAAAA
Ra vo reny resahan oe aona de oe mande fanadiadin de zay!!
Grave
“Zavatra tokana no takianay,… ny hanaovana fampitahàna ny lisi-pifidianana”
Depiote TIM- Nisy ny hala-bato, maro ireo porofo
Helisoa, Ranzefa
“Ady amin’ny tsy fahamarinana izy ity ka tsy misy hilefitra izany eto raha tsy mipoitra ny marina.”
“Tsy misy mipetraka izany eto raha am-pitaka no hanodinana ny safidim-bahoaka.”
Nampiaka-peo ireo Solombavambahoaka avy amin’ny Antoko Tiako i Madagasikara, voafidy manerana ny Nosy nandritra ny valandresaka nataony ho an’ny mpanao gazety tao amin’ny foiben-toeran’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), etsy Bel’Air Ampandrana omaly. Hita hoy ny depiote Me Hanitra Razafimanantsoa, fa niseho tamin’ny endrika maro ny hala-bato, tamin’iny fifidianana ben’ny tanàna sy Mpanolotsaina notanterahina ny faha 27 Novambra lasa teo iny.
Porofo maro ankehitriny no ahafahana manamarina fa nokitihina tamin’ny fotoana tsy manaraka ny lalàna velona ny lisi-pifidianana. Fijoroana vavolombelona an’arivony no voaray ary voaporofo, ka ahafahana milaza izany. Toa vao mainka manamafy izany rahateo koa ny filazan’ny CENI, fa tsy mahefa hanatanteraka fampitahana mahakasika ny lisi-pifidianana izy ireo.
Ny Lisi-pifidianana: nokitihana; nisy ny nanesoràna na nampiana. Tsy mitovy ny lisitra nampiasaina tamin’ny fifidianana Depiote sy ny farany teo dia tamin’ny Ben’ny tanàna sy Mpanolotsaina. Niovaova ny laharan’ny mpifidy tao anaty lisitra, nisy ireo biraom-pifidianana niova. Ny Rajout: lasa nitombo be Doublons na triplons; biletà halatra voamarika mialoha sns…
Nanamafy ny depiote Fidèle Razara Pierre, fa tsy hipetra-potsiny ny antoko TIM nanoloana ny halabato izay misy ary efa hananana porofo maro ankehitriny . Zavatra tokana no takianay hoy izy dia ny hanaovana ny fampitahàna ny lisi-pifidianana tamin’ny solombavambahoaka sy ny lisitra nifidianana tamin’ny ben’ny tanàna. Raha resy amin’ny fahamarinana izahay hoy izy dia mahay mipetraka, fa raha tsy resy kosa dia tsy hipetraka izahay hoy izy nanamafy.
(Sary: Ireo depiote TIM, nitafa tamin’ny mpanao gazety teny Bel’Air ny 4 Desambra 2019)
www.gvalosoa.net/2019/12/05/zavatra-tokana-no-takianay-ny-hanaovana-fampitahana-ny-lisi-pifidianana/ ... TohinyFintinina
3 andro lasa
Lasa ity , raha hihemotra d veloma mandrakizay! Amboaro tsara n'y stratégie! Vonona isika
Ka io nge teneniny reo fona oe azo raisina fa tsy mitombona e!mila mitady stratégie vao2 mitsy !
Koa raha hiteny indray izany I Dada izao hoe hangina isika dia lasa sosoa voatapo-drano eo daholo indray ny rehetra e!
ny tenako manokana izao saika tsy hita ny anarana.. tsy nanaiky moa ny tena satria nifidy t@ deputation farany teo ary rehefa nohamarinina t@ ny BV vitsivitsy dia tany @BV izay tsy tokony hisy ny anarako mihitsy vao hita kanefa tokony niray lisitra niaraka t@ olona tao an-trano tahaka ny nahazatra..
Tena eto aho dia milaza am foko fa isika no adala raha miembotra amizao
tadiavo ny marina rehetra
Tsss mihemotra tsony amin'ity jamais deux sans trois
Avelao handeha ny fampitahana ny lisi-pifidianana tamin’ny solombavambahoaka sy ny lisi-pifidianana tamin’ny ben’ny tanàna teo ry Hery Rakotomanana, Thierry Rakotonarivo, Fano Rakotondrazaka isany.
Samy tompon’andraikitra amin’ny hala-bato teo amin’ny fifidianana efatra be izao ianareo satria tsy nisy mihitsy fandraisana andraikitra hanohitra ny hala-bato fa vao maika aza nanamora izany.
Mendrika ho gadraina ianareo. Fahavalom-bahoaka, mpanitsakitsaka safidimbahoaka. Olon-tsy vanona.
Lanzelo ... TohinyFintinina
3 andro lasa
ka ra ts nangalabato si nanao hosoka toko ianareo de manekena diovy ni tenanareo fa madio ni tananareo ataovy ni fampitahana ni lisitra fifidianana iny fa voendrikendrikafahatany nareo mahasahia mitoriko nareo fa ireo ni antoko si ni olom- pirenena sasany de mandoto si manaratsy anareo ,ra ts nangalabato si nanohana antoko si nanao zay hampandany ni kabdida iray ianareo.
Tsy nangala-bato izy e, Marina izany fa n'y liste électorale fotsiny no nampanovainy ny Chef Fokontany
Za ts mihaino fa ovaiko ny tele.Vao mandre hoe ceni na hcc.De filankevitr ministr.Soa f mb misy barea.
Fanabarabaràna an'Iarivo tsotr'izao e.Mba lazao hoe mponin'Iarivo ve no nihira ny fanentanan'ny IRD tamin'ny propaganden'ny ben'ny tanàna natolotry ny filoha.
efa maro ny miantso tody an. ny sasany efa maty eritreritra e. enao sy taranakao nge no hilatsahan halahelom bahoaka e. angalaro foana ny safidiny e. misy farany anefa ny zavadrehetra.
Mody valiten'ny adala dray no ataony , hoe angah misy.olo'tsotra manana lisim-pifidianana koa ,azafady aza mapiteniteny foana ry CENI a.. Tss bado s'y Vendrana eto,
NY ANTONY NAHATONGA NY OLONA TSY NARISIKA HIFIDY RY CENI DIA NOHO NY ANTOPISINAREO AAAA AZA MAMDIBADIDRESAKA. 27% ve ny salanisan'ny mpifidy de nekenareo ny namoaka resultat??? Nefa ny antsasak''io latsaka kely mbola vaton'i Rina izany hoe 13% zany ny mpifidy an'i naina teto tana. De milaza ry fanatika orange fa hoe efa naloan'Antananarivo zany TIM zany. Aza mihevitra an'Iarivo ho bado an. Ataovy fotsiny io confrotation liste io fa raha tsy hanao an'io nareo de mazava ny resaka
Ambaniana I IARIVO, Ny mpangalatra Diplômes, s safidimbahoaka no miteny betsaka eto Iarivo, manao politika daholo n ts ampy solaitra d lasa mitantana institution mihintsy n sasany, n sasany minisitra, Vonjeo Iarivo fa Tanin' ny Razanao
Rehefa tsy nangala-bato ary de ekeo le confrontation e. Tsotra be nge zany e
Ny heloka ibaboana mody rariny, aleo miverin-dalana dieny mbola tsy an-dohalika ny ranom-bary zay efa notohainareo foana, ka mety hitraotra io rano io fa efa feno loatra e.
Ny ahy ny mahagaaga ahy dia manamrin-tena sy avoavo feo ilay CENI nefa tsy saahy manaao confrotation amin'ny liste electorale satria vakiaana fotsiny ny fahasamihafana
d mbola hanao referendum koa d mbola hangalatra ohatry ny t@ tetezamitatra, n carnet-fokotany no nentina nifidy, d manao saritsarimpifidiana indray
Mpandotra vary efa voky mialohan'ny fotoana , hany Ka ny malotony no mameno ny tanana satry voky hatrany antendakeliny.
De nakaiza nenaran ola nifidy t@ presidentielle sy deputation ra izany? Nareo ts nangalabato fa nosoinareo olo kafa ny anaran'ola e de ny sasany nofafana de akapoy @ vato ny loha ra tezitra
Matahoatra fampitahana izy ku
ze tsy sah maptah no mahina ho tratra d mitanisa ARTICLE bdb ialana bala
Ka ahoana ilay vola be voaray sy mbola ho arotsaka? Dia atakalo vahoaka 25 millions (analana ireo mpamadika)
Aleo aseo ny tsy maha mpangala-bato fa tsy tokony ho tezitra fa mbola anatin'ny asa izany.Tsy tokony asiana olana mitsy.
Nanongam-panjakana ary vitany koa izay mangala-bato ve ? Kilalaon-jaza aminy. Hadalana ny miandry ny olona toy izany hahatspa tena na handray andraikitra.
Ra tsy nangalatra enao tsisy antony tokony aha tezitra anao zany e! Fa mato enao tezitra dia ao raha zay!!!
nangalatra ianareo,na azavao ary fa olo-marina ianareo?
CENI izany ho'aho tsy azo antenaina mihitsy, tsy mitombina io no tsy azo raisina
Tratra ny marina indray.izy 2,lahy, ireo no tena nanapotika.ny fire'nena toy izao
mody manao fika be nef efa voatoraka le fandehany ,kkkkk
fa vato hanaovana tamboho sa fasana izao nangalarina zao e
Mponina sahirana amin’ny rano – Hanao “sitting” eny amin’ny ministeran’ny rano ny sabotsy izao
Isambilo
Araka ny tapaka tamin’ny fivoriana izay nataon’ny solontenan’ny mponina eny amin’ny fokontany Faravohitra, Mandrosoa sy ny manodidina, izay fokontany anisan’ny manana olana amin’ny resaka rano eto an-drenivohitra, dia nanapa-kevitra izy ireo fa hanao “sitting”, na fitokonana manoloana ny ministeran’ny rano any Ambohijatovo Ambony ny sabotsy izao hanomboka amin’ny 10 ora maraina.
Ankehitriny tokoa dia misedra olana ny mponina eto an-dRenivohitra eo amin’ny lafiny ny rano, izay tsapa fa mampikaikaika ny maro, tsy eny amin’ny tanàna ambony eto Antananarivo ihany no misy olana, fa amin’ny faritra iva toerana koa. Noho izany no nahatonga azy ireo hanao “Sitting”, na fitokonana manoloana ny Ministeran’ny Rano ny sabotsy 07 desambra 2019 ho avy izao hanomboka amin’ny folo ora maraina io, araka ny nambaran’ny mpitondra tenin’ny mponina amin’ny fokontany Faravohitra, Mandrosoa, sy ny manodidina, Andriamatoa Alex Rafidiarison.
Izay rehetra manana olana amin’ny resaka rano eto Antananarivo no handray anjara amin’izany “sitting” izany. Namafisiny fa tsy hoentina hanakorontanana akory izao hetsika izao, fa hetsika fanairana ho an‘ireo tomponandraikitra ihany, ary tsy misy idiran’ny resaka politika.
Sary RANO: Alex Rafidiarison, solontenan’ny mponina eny faravohitra, Mandrosoa, sy ny manodidina.
www.gvalosoa.net/2019/12/05/mponina-sahirana-aminny-rano-hanao-sitting-eny-aminny-ministeranny-ra... ... TohinyFintinina
3 andro lasa
Aza miteniteny foana fa mahamenatra ry V.A! Ianareo mpangalatra indray no avo vava!Mazava be fa manomana korontana ny TIM sy Ravalomanana, efa nambaran'ny député Fidèle Razara Piera fa hiverina hanao fitokonana isan'andro eo amin'ny Magro ry zareo, ary efa misy fanangonana gros bras izay karamaina hanao herisetra sy fandrobana tsy ho ela, ao amin'ny lapan'ny tanana ao Analakely ao no misy fivoriana isan'andro ka ireto ny lisitr'ireo mpitarika izany araka ny vaovao omen'ny mpiasan'ny CUA ihany izay tsy mankasitraka izao fikonokononana korontana izao:
Arthur ( commune)
Landry ( lehiben ny tsena )
Razily (Mahamasina)
Mabele (Andranomanalina)
Jacko mpihira( Green)
Christophe sy Robert bemaso .
Zeze Roland kely feo (Ambodirano)
Del (Anosibe ouest)
Lepoka sy Bastos (Andavamamba),
Lova be (ankazomanga)
Rija Cd elements an'i za gasy (Ankorondrano)
Ra prossy sy ny zaodahiny (Ambohimanarina)
Ireo rehetra voalaza ireo dia samy mitondra bandy daholo ary efa herinandro izay ny famoriana an'ireo.
Miantso ny fanjakana sy ny mpitandro filaminana handray andraikitra fa tsy mila korontana izany intsony ny vahoaka. Rehefa resy dia mahay mipetraka manaja tena fa tsy ny fiainam-bahoaka no korontanina. ... TohinyFintinina
4 andro lasa
Ny fahamarinana aminy ird sy tariny dia midika oe korotana fa ny halabato milaza fandresena hoany mapar sy tariny
Ny hala-bato no nampamena be ty urgent ty! Mbola aizan'ny aiza e ! Mbola eto an-tany mbola samy olombelona no mifanazava ,...fa rehefa @ fiavian'ny TOMPO ngamba dia raharaha ny an'ireo eee !
"Gisa lahy homan-ketsa ireny e! Ny tena ndray no avo vava" Mafy zany hoe malaza ho mpangalatra. Aleo mahita tontakely mpanao sinto-mahery, toy izay mifampiresaka @ ceni!
DIA INONA ILAY OLANA , NGA NAREO IEM REO TSY MIKONOKONA KOROTANA ? Avereno ndray ry nylons isany iny 2009 iny a !!! Tsy mihemotra am reny ny vahoaka malagasy.
inona io urgence menabe io???? ka angaha sarotahotra , mba misaina kely kely fotsiny fa tsy affaire ny TIM na RA 8 fotsiny izy ity fa ny hala-bato manerana ny Nosy hatovy ny fisamborana dia halaky ho vita ity raharaha ity article faha-firy ao amin ny code electorale no tsy azo hampitahana izy io izany anie mampibaribary fa tsy mitovy marina io liste ny depite sy ny Mairie eee misary gaigy iret CENI ireto mijoroa ianareo depite izay lany amim-pahamarinana fa ireo lany tamin ny fomba tsy mazava dia akombony ny vava mazava!!!!
Ra ti krotana ny tim d tam election presidentiel d efa nsaritaka,Ny tim sy Ravalo ny tena itako endry sad be fandeferana.Ra tamren ve no ts lany ty razoky mtndr ty ts loza be
Tena mampiomehy rangah le mpitondra a.De tony "fako" tony ve sisa antenaina hiaro ny seza? Ambany loatra le hevitra e.Hahaha
mihorohor ndrai.n #drakaka mpitroka maloto vô maeno oe #RAVALOMANANA😂😂😂😂😂.Tsis mandefitra zan.tsun eo.
Ny TIM tsy mpanao kopy-kole ka haka tahaka anjambany ny fanaony sasany.
Tsy mba tia gidraka izany ny Tim...Fa manan-jo haneho hevitra kosa izy e!
NY TGV sy ry riribe tam 2009 no specialiste am fandrobana fa tsy TIM ry V. sy ry K. Aaa
Zao le hoe manetsinkeloka e.ny fombany no lazainy fa ataon'ny olona.efa hita fa mitanila be le ceni ko mbol manamarintena ian
inona mo ni tokony ataorana Tim râ tsy nanao ratsy? aleo izy mba iteny fa zony zany
Atao dol zao fanaratsina ny Tim zao ianareo tsy aloto ny Tim zany ny marna nontadiavinay fa tsy fandrobana sy famonona ol otrany nensasany
Aleo izy hitady ny marina ka inona mo no olanao @zany ?sa!!!manahy ianao?
Mila b zany!
Hala-bato ve hiala maina.ka tsy aleo.hivoaka aby ny eny am Fonja?the
Ko nareo mpangalatra tsivanona ku
Hay ity compte ity tsy mitovy hevitra amiko loza...
Réf mangalatra ve ts hataony mamay any e,,in no mapikorapaka anao io e,mila fongorona n'y ratsy
ie .zay manoana ka aona .fa nga ze tin pitondra no tsy maintsy atao fona .
Alefa isika tsy maitsy mitady ny marina ny marina tsy mba maty
Specialité andry ry zareo no teneny eo e
Tena V A marina izy e
NY amboa no mivovoha o
Ny tsy fampiharana ny mangarahara sy ny fanafenana ny marina dia midika fanakorontanana.
Ary ny mpanakorontana dia tokony ho faizina. ... TohinyFintinina
4 andro lasa
EDITO 5 Desambra – Tsy mahaleotena ny CENI
Rajaonarimpanontsana
Mahavariana sady nahavalalanina ny mpifidy ny fanambaran’ny CENI, vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana, fa tsy tokony hisy lisitry ny mpifidy voasoratra anarana hafa kanefa dia any anaty tambazotra no mivoaka ny anaran’ireo olona mpifidy sy ny isany.
Mipetraka ny fanontaniana, fa iza ihany moa no mamoaka azy ireny? Tsy ny avy ao anivon’ny CENI ihany ve? Koa nahoana no mbola lazaina fa misy olona hafa mamoaka izany lisitry ny mpifidy izany. Ny lisitry ny mpifidy izany dia natao ho hitan’ny be sy ny maro amin’ny tambazotran-tserasera na site web. Raha jerena amin’ny saina tsy miangatra dia toa ity rafitra mahaleotena misahana ny fifidianana ity ihany no mampiteraka savorovorontsaina, ka manilika ny andraikiny any amin’ny hafa. Voalaza fa mahaleotena izy ireo, nefa raha jerena ny zavatra ataony dia tena tsy mahaleotena fa miankin-doha amin’ny fitondram-panjakana, mba tsy ilazana fa voavidin’ny fitondram-panjakana sy ireo mpiara-dia aminy. Ao ny anaran’ny mpifidy miverina indroa na intelo, ao koa ireo Doublons maro, tsy lazaina intsony ireo hosoka isan-karazany.
Efa hatrany amin’ny fifidianana filoham-pirenena sy ny solombavambahoaka no nahitana lesoka ny CENI dia izao mitohy aty amin’ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina izao indray. Ny teto an-drenivohitra aza nahitana izany, ka vao mainka fa ny any amin’ny faritra sasany any? Nanao izay danin’ny kibony ny tompon’andraikitra tany amin’ny faritra hampandaniana ireo kandida miaraka amin’ny fitondrana. Tsy mahagaga raha tsy atokisan’ny vahoaka intsony izay vokatra tsy ofisialy hivoaka eo satria efa tsy mahaleotena intsony ity CENI ity raha ny fizotran’ny fifidianana no asian-teny.
Raha tiana hiverina ny fitokisana eo amin’ny vahoaka nifidy dia aleo hivoaka ny mangarahara. Ataovy mazava sy madio ny voka-pifidianana, ka izay tena safidin’ny Malagasy nandatsa-bato marina no tokony hivoaka.
www.gvalosoa.net/2019/12/05/edito-5-desambra-tsy-mahaleotena-ny-ceni/ ... TohinyFintinina

EDITO 5 Desambra – Tsy mahaleotena ny CENI | NY VALOSOA VAOVAO
gvalosoa.net
Rajaonarimpanontsana Mahavariana sady nahavalalanina ny mpifidy ny fanambaran'ny CENI, vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana, fa tsy tokony hisy lisitry ny mpifidy voasoratra anarana hafa kanefa dia any anaty tambazotra no mivoaka ny anaran'ireo olona mpifidy sy ny isany. Mipetraka....4 andro lasa
Vidio ny gazetintsika NY VALOSOA VAOVAO androany Alakamisy 5 Desambra 2019.
Ho hitanao koa ao amin'ny www.gvalosoa.com na www.gvalosoa.net ... TohinyFintinina
4 andro lasa
O ry CENI a! Gravy be ianareo an!Valin-tenin'ny CENI tamin'ny fangatahan'ny kandida Tahiry Ny Rina Randriamasinoro hampitovy ny lisi-pifidianana nampiasaina tamin'ny fifidianana ben'ny tanana sy mpanolo-tsaina amin'ilay nampiasaina tamin'ny fifidianana teo aloha. ... TohinyFintinina
5 andro lasa
Resaka manao tsinontsinona ny an’i Thierry Rakotonarivo amin’izany hoe lisitra saro-pady tsy azo avoaka izany. Gadrao any mihitsy io isan’ny fositra amin’ny fanitsakitsahina ny zom-bahoaka. Olona fako mihitsy.
CENI MALAGASY AO TOKONY ANAOVANA BIANCO FANADIADIANA RAHA TENA NEUTRE NY BIANCO NY MPANARAMASO IRAISAMPIRENENA SY NY ETO MADAGASCAR MANAKOMBOMBAVA
Ilay Fanjakana mihitsy mila ahongana dia miongana daholo ny frongony
Misy raha donc ao
Fa oetina makaiza ari iti firenena iti zani e
Mazava zany zao tsy rafitra hitondra any demokrasia sy fahamarinana ity ceni ity fa tena hanambakana ny mpifidy tanteraka , lasa secret d'état zany Zao ny lisimpifidianana lasa fanitsakitsahana zo any mpifidy , koa mangataka mba hitoy ny fitakiana , Mangataka ny mpamatsy vola ny ceni mba hanadray andraikitra ary fitorina erantany no atao Ary tsy eto iarivo iany no izany fanadiadiana izany fa erakiny nosy , aleo hiseo ny mariny ,, mangataka ny fialany ceni tsisy atakandro isika
miala leisy a
Tsy azo ekena intsony izao fa tena manao antsika vendrana ny CENI sy ny forongony. Mijoroa isika hiaro ny safidin-tsika!Porofo maro ankehitriny no ahafahana manamarina fa nokitihina tamin'ny fotoana tsy manaraka ny lalàna velona ny lisi-pifidianana. Fijoroana vavolombelona an'arivony no voaray ary voaporofo ka ahafahana milaza izany. Toa vao maika manamafy izany rahateo koa ny filazan'ny CENI fa tsy mahefa hanatateraka fampitahana mahakasika ny lisi-pifidianana izy ireo. ... TohinyFintinina
5 andro lasa
Efa vonona ny aty e!
Efa manambara izy fa diso matoa tsy mety mampitaha ny lisitra
Zay contre an'io confrotation listes electoraux io dia raisiko ho auteurs, co-auteurs et complices avokoa. Hafatra hoan'ny ceni, hcc , hcj . VOUS DEVEZ RESPECTER RIGOUREUSEMENT LES LOIS ELECTORALES ET EVENTUELLEMENT PENALES. SINON VOUS SEREZ RESPONSABLES A TOUS LES MOUVEMENTS POPULAIRES
Refa hoy nareo oe mijoroa d atram farany,fa aza atao otran tam présidentielle vitavita ho azy teny(za ts mahay politika avolenta),tonga d action fa tandremo kosa oe misy ifanarahana sanatria d ny vahoka fona no sorona.
Mipetraka isika rehefa mba iara ' ny lalàna ny mpandika lalàna (ceni ) Iarovana taranaka any aoriana.
Ela koa nahenoana anizay fa tsy misy manao action hita oe tena tsy manaiky!
Ba mifoaza zalahy atsika eeee ooo ry vahoaka malagasy eeee
Aiza le ijoroana fa ny olona efa vonona e
Alao hery zalahy a!
Hanara-dalàna sa hitsipaka ny lalàna ianareo ry CENI a? ... TohinyFintinina

Fantaro ry CENI fa TSY SECRET akory ny registre électoral fa PUBLIC ary MANANA ZO hijery izany amin ny fotoana rehetra ny olondrehetra tsy ankanavaka!!!
Raha ianareo no hisakana ny fijerena izany DIA MANDIKA LALANA ary misy zavatra afenina ao.
Io ny voalazan ny Loi organique 2018-008 portant régime général des élections et référendums
Article 10 – ...Le Registre élec...
5 andro lasa
Aza mody adala eo ry CENI a!Tomponan’andraikitra ianareo. Mpangalatra!
ny ratery sy ny forongny ndray lo de ila bala fotsiny eo .tsis lalana arain zany fa omena vola izy de miova loko daolo ndray ny vato reetra efa any .
Haini ceni mitsi le miala bala
Hiala bala ndray izy manao an'io
Mody mtap @le vaok tsotr le ceni,d mody aodin an ndray lo ny sujet