EDITO 26 Janoary – 26 janoary 2009, Rajoelina no anisan’ny fositra

Sôh’son

Ny tantara tsy fanadino, 26 Janoary 2009 – 26 Janoary 2019, feno 10 taona katroka amin’ity andro ity izao ny nitrangan’ny zava-doza teto amin’ny firenena. Tsy inona izany fa ny herisetra nataona andian’olona nandoro sy nandroba ireo orinasa maro teto an-drenivohitra sy ireo haino aman-jery roa, dia ny RNM sy TVM, sy ny MBS teny Anosipatrana.

Ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina no anisan’ny fositra tamin’izany satria izy no nanome tsodrano ireo mpandoro sy mpandroba teo Anosy tamin’izany fotoana izany. Hetraketraka nokotrehina tao anaty fanonganam-panjakana. Hany ka lasibatra avokoa irero orinasan’ny filoha tamin’izany, Ravalomanana Marc, na ireo rehetra teto an-drenivohitra na tany amin’ny faritany rehetra. Ary tsy ny azy ihany fa ireo orinasa sy tranombarotra maro tsy miankina amin’ny fanjakana dia lasibatra avokoa. Tao anatin’izany no nisiana aina nafoy teny am-pandrobana ireo entan’olona, tao ny tototry ny gonim-bary, ny nozeran’ny zavatra maro samihafa, ary ny nampihorin-koditra ny nisian’ireo may kilan’ny afo. Tsy nisy fahadisoan’ny fitondrana tamin’izany ireny zavatra nitranga rehetra ireny, fa tena vokatry ny toe-tsaina ory hava-manan’ireo nikotrika ny hetraketraka sy ny mpanongam-panjakana, izay efa voalaza teo fa Andry Rajoelina mpanongam-panjakana sy ny forongony no fototr’izany rehetra izany.

Araka ny fanadihadiana, nisy mihitsy ireo nibaiko ireo andian’olona handeha amin’ireo toerana nokendrena horobaina sy dorana. Ny mahavariana, dia misy manao fijery mivilana tanteraka ka nailika tany amin’ny fitondrana ho tsy nandray andraikitra tamin’izany. Kanefa raha niditra tamin’ireny ny mpitandro filaminana dia izay mihitsy ilay fikendrena hafa tiana nahatongavana tamin’ireny. Nampihanjahanja mazava ny fihetsika nataon’ireo nankahala ny filoha Ravalomanana iny andro « Alatsinainy maintin’ny 26 Janoary » iny. Ho an’ny mpandinika, dia tsotra ny fahitany ny toe-java-nitranga : « nodorana i Antananarivo» sy i Madagasikara ihany koa .

Hadisoana bevava teto amin’ny firenena izany n’inona n’inona fiarovan-tena amin’ny hoe “tolom-bahoaka” iny. Tsy azo lazaina ho izany iny ho an’ny mpahay tantara satria nisy ampaham-bahoaka marobe ihany koa tsy niombon-kevitra tamin’ireo nanao hetsika fanapotehana firenena ireo, ary nikasa handrombaka ny fahefana tamin’ny alalan’ny hery. Ny Tolom-bahoaka dia tsy misy vahoaka marobe manohitra, fa na izy mitazana fotsiny na izy mangina. Tsy izany no nitranga, tsy adino fa nisy ireo vahoaka marobe naneho ny fanohanany ny filoha hatramin’ny farany teny Iavoloha. Ary ny fisian’izay mihitsy no nahatonga ny firenena ho tafiditra tamin’ny krizy lalina nandritra ny taona maro.

Nodian’ireo mpandrombaka fahefana tamin-kery nodian-tsy hita ireo vahoaka ireo fa toy ny azy irery ity firenena ity nandritra ny taona maro. Hadisoana lehibe niseho teto amin’ny firenena izany ary hipetraka ho tantarany ho fantatry ny taranaka fara aman-dimby. Misy ny mikendry hatrany ny hanamboamboatra izany tantara izany, hamadihana ny marina. Ireny olona ireny no tena fanetriben’ity firenena ity ka mahatonga azy hahantra sy ho mena-mitaha amin’ny firenen-kafa mandraka ankehitriny. Ny mahalasa ny saina ihany koa dia tsy nisy fialan-tsiny, tsy nisy fifonana nataon’ireny olona nahatonga ny fahapotehana goavana teto amin’ny firenena ireny. Vao mainka aza nidehadehaka no nataon’ny maro tamin’izy ireo. Toe-tsaina manao ahoana loatra izany? …