Alatsinainy Mainty – 26 Janoary 2009 – 26 Janoary 2020

11 taona lasa izay – Tsy maty ao an-tsain’ny rehetra ny herisetra nitranga ny 26 Janoary 2009

Ny Valosoa

Raha tsiahivina ny zava-nitranga tamin’izany dia nisy ny fanakatonana ny Televiziona Viva ny faramparan’ny taona 2008, satria nihoa-pefy teo amin’ny famoaham-baovao. Nanapa-kevitra Ingahy Rajoelina Ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra tamin’izany, fa ny Kianjan’Ambohijatovo dia atao ho” kianjan’ny demokrasia”, azon’ny rehetra hanehoan-kevitra tsy mila fanaovana fangatahana alalana amin’ny Cua sy Prefet de Police, fa misokatra ho an’izay manan-kolazaina.

Ny Sabotsy 17 Janoary 2009 no natao ny fitokanana ny kianja, ka ny tenan’Ingahy Rajoelina no tonga nitokana izany ,dia nisy ny kabary natao tamin’izany, izay fanenjehana bontolo ny Filoha Ravalomanana no heno tao , ny Sabotsy 24 Janoary 2009 dia mbola niverina teny Ambohijatovo ry Rajoelina ary nanambara fa tsy hijanona eny Ambohijatovo intsony , fa hidina eny amin’ny Kianjan’ny 13 Mey amin’izay, ary ampahibemaso no nilazan’Ingahy Rajoelina, fa izy no hibaiko ny mpitandro filaminana sy ny mpiasampanjakana.

Ny Alatsinainy 26 Janoary 2009 dia nifamotoana teny amin’ny Kianjan’ny 13 Mey ireo mpanao fihetsiketsehana , nambara teny fa hanao diabe ho eny amin’ny Lapan’ny fitsarana Anosy , hamoaka ireo mpianatra voalaza fa voasambotra , kinanjo nony tonga teny Anosy efa votsotra ireo mpianatra, ka niova hevitra indray ireo andian’olona tonga teny, fa handoro sy handroba ny Radiompirenena sy ny Televizionampirenena , dia niroso tokoa ireo tsy matahotody, nony vita ny teny Anosy dia ny Radio sy Televiziona MBS teny Anosipatrana indray no nodorana sy norobaina ary avy eo dia teny amin’ny Tiko sy Magro Tanjombato sy Ankorondrano ary Behoririka. Ankoatr’ireo dia voaroba sy voadoro koa ireo fananan’olontsotra teny Behoririka sy Ankorondrano. Nolalovan’ireo mpandroba fotsiny, fa tsy nokitihany ny Building Ramaroson, ny Savonnerie Tropicale ary ny haino amanjerin’Ingahy Edgard Razafindravaha , marihana fa nisy ny fitsofandrano nataon’Ingahy Rajoelina teny Anosy, ho an’ireo vonon-kandroba teny Andavamamba.

Tonga avy any Afrika Atsimo ny Filoha Ravalomanana ny Alahady 25 Janoary 2009, vahoaka marobe no tonga nihoby azy teny Ivato sy tamin’ny lalana nolalovany rehetra mandrapahatongany teny Faravohitra, tamin’io andro io no nivoaka ny fomba fitenenana hoe tonga ny Dadanay ary nanomboka teo dia i Dada no fiantsoana ny Filoha Ravalomanana, ka hatramin’ireo ray amandreny efa nahazo taona aza dia miantso azy hoe i Dada.

Aleo dia tsorina fa ny fahombiazan’ny fitsenana nataon’ny vahoaka ny Filoha Ravalomanana no naharomotra ireo mpandroba, ka nahatonga ny fandorana tanàna sy fandrobana fananana ny ampitso Alatsinainy Maity.

Nihorohoro tanteraka Antananarivo iray manontolo tamin’io alatsinainy io , taty aoriana aza moa dia nantsoina hoe “lundi noir”ny 26 Janoary 2009.

Hatramin’izao fotoana izao, 11 taona aty aoriana dia tsy mbola nisy ny fanadihadiana, na fikarohana ireo nahavanon-doza nanao ny fandravana, na ny mpanapotika, na ny mpaniraka, izay marihina fa mahazo fitondrana ankehitriny. Ireo niharam-pahavoazana dia tsy mbola nisy ny fanonerana ny fananana rava.

Firenena mitonona ho tan-dalàna i Madagasikara, noho izany dia tokony tsy ho afa-maina ny mpanao ratsy , efa mijoro rahateo ny Haute Cour de Justice natao hitsarana ireo tompon’andraikitra ambony nahavita heloka teto amin’ny firenena, koa antenaina fa hiasa araka ny tokony ho izy io fitsarana io satria tsy misy olona eo ambonin’ny lalàna, kanefa mbola lavitry ny afo ny kitay araky ny fitenenana, satria mbola mirehareha sy mihevitena ho tsimatimanonta ireo nahavanondoza ary ilay Haute Cour de Justice, na Fitsarana Avo rahateo koa toa malaza tsy ihinanana toa vilian-tsahona.

11 ans jour pour jour, Madagascar a été le théâtre d’un évènement sans précédent. Tous les bâtiments et autres biens du Président Marc Ravalomanana ont été pillés et brûlés à Antananarivo, la radio et la télévision nationale ont subi le même sort. Ailleurs dans la capitale, les pompiers ont découvert plusieurs corps calcinés dans un magasin pillé.

Le bilan est lourd, 25 corps calcinés « ils sont tellement brûlés qu’ils seront difficilement identifiables » selon un responsable des pompiers. Les victimes auraient été prises au piège dans le brasier, au plus fort des pillages. Plusieurs milliards de pertes pour les sociétés du Président Marc Ravalomanana, dont, Tiko, Magro, MBS Tv et Radio, Le Quotidien, Ny Vaovaontsika…Un couvre feu a été instauré par le régime de l’époque, un signe de la volonté des pouvoirs publics de rétablir l’ordre dans la capitale. Des unités militaires ou de policiers sont postées devant la plupart des supérettes ou autres enseignes susceptibles d’être pillées…

En province aussi, des incidents ont eu lieu. Des magasins Magro ont également été pillés dans la plupart des grandes villes. Les premières villes touchées par ces pillages, cantonnés à un ou deux quartiers, sont Mahajanga sur la côte ouest, Toliary plus au sud, Antsirabe. D’autres incidents ont aussi été relevés à Fianarantsoa et enfin à Toamasina.

Andry Raoelina était le principal meneur lors de la journée sanglante du lundi 26 janvier 2009. Il était dans les rues d’Antananarivo quand la capitale a été mise à feu et à sang par des manifestants fous furieux. Dix ans après les faits, la vérité sur l’affaire n’est toujours pas dévoilée ni au grand public ni aux proches des victimes. Les plaintes déposées au Tribunal relatives à cette affaire par l’association des victimes n’ont pas connu de suite.

Le maire de la capitale de l’époque, Andry Rajoelina avait promis d’aider les victimes du pillage puisqu’il a été lui-même parmi les principaux acteurs de cette crise dévastatrice en manipulant la foule dans les rues de la capitale. Mais aucune indemnisation ou soutien financier aux victimes n’a été déboursé même si Andry Rajoelina a passé cinq ans au pouvoir en tant que président de la Transition.