EDITO 22 Janoary – Fianianan’ny Filoha – Nampieritreritra ny zavatra niseho

Ny Valosoa

Raha nieritreritra ny maro, fa hizotra toy ny mahazatra ny fiainan’ny mponina nandritra ny andron’ny sabotsy 19 janoary 2019 teo iny dia toa tsy izay loatra no niseho, teto amin’ny renivohitr’i Madagasikara. Araka ny efa fantatra dia tamin’io andro io no fotoana nametrahana an-dRajoelina Andry Nirina amin’ny toerana maha filohampirenena azy, lanonam-pitsarana nanetriketrika izay nokarakarain’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana na ny HCC.

Tontosa antsakany sy andavany ny lanonana rehetra na ny teo Mahamasina izany, na ny teny Iavoloha niarahana tamin’ireo vahiny sy ny olo-manankaja maro. Fa ny zavatra tiana ho tenenina dia toa nampieritreritra ihany ny zava-niseho ny andron’ny sabotsy teo iny.

Voalohany aloha dia ny fisian’ny lozam-pifamoivoizana nitranga tetsy Ambohijatovo ny maraina, taxi-be iray tapaka hisatra ary nivadika, soa ihany fa tsy nisy ny aina nafoy saingy maro kosa ireo naratra vokatry ny loza. Loza izay toa efa fambara sahady ny zavatra hiseho.

Ny tolakandro nanomboka nandindona ny orana ary dia niafara tamin’ny orambe nivatravatra tsy nijanona. Tsy raikitra hatramin’ny fandefasana ny afomanga lehibe izay nokasain’ny fitondrana hotanterahina teny amin’ny rovan’i Manjakamiadana ho famaranana ny lanonana ny sabotsy teo iny vokatry ny orambe. Teo dia nisy ny nieritreritra fa toa tso-drano avy amin’ny Avo iny noho ny fahazoana filoha vaovao, izay foana mantsy ilay fomba fiteny rehefa misy toe-javatra tahaka ireny aorian’ny lanonana.

Raha dinihina tamin’ny faharetany anefa dia toa tsy izay loatra no azo andikana azy. Naharitra dia naharitra tokoa ny orana, vokany nisy koa ny loza niseho toy ny tetsy Tsimialonjafy Andohalo izay vokatry ny fihotsahan’ny vatobe, ka nifatratra tamin’ny trano maro, sy ny teny Andoharano Tsimbazaza, izay vokatry ny fihotsahan’ny trano. Am-polony ny aina nafoy vokatr’izany, ary misy koa ireo naratra ary mbola manaraka fitsaboana, tsy vitsy ihany koa anefa ireo tokantrano dibo-drano, tra-boina indrindra amin’ny faritra iva taorian’ilay orambe.

Azo lazaina ho nosembanan-drahona ihany araka izany ny fiandohan’ny fahefan-dRajoelina. Samy nanana ny fandikany an’iny zavatra niseho iny ny olompirenena tsirairay, nisy mihitsy ny nilaza fa ireny no vokatry ny fanaovana tsinontsinona ny Baiboly sy ny fivavahana tokony ho natao tamin’ny fianianana kanefa moa nandà hatramin’ny farany ny filohan’ny HCC ny amin’ny tsy ilàna izany satria lanonana fotoam-pitsarana ny raharaha. Nipetraka ny fanontaniana : fifandrifian-javatra ve ireny sa ny loza tokoa no efa ho avy ?