Fianianan’ny filoha vaovao – Nisavoritaka ny fizarana ny fanasana

Fianianana ataon’i Andry Rajoelina anio eny Mahamasina, misy tsy milamina ny resaka fanasana mahakasika izany. 48 ora mialohan’ny hanatanterahana ny lanonana ara-pitsarana manetriketrika handraisan’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenena (HCC) ny fianianan’ny filoham-pirenena vaovao ,Andry Rajoelina etsy Mahamasina, dia miakatra ny feo fa betsaka ireo tsy nahazo fanasana amin’izany, eny fa na ireo mpikambana amin’ny andrimpanjakana sy olomboafidy aza. Voakasik’izany ireo andrimpanjakana andrin’ny demokrasia sy ny fampihavanam-pirenena dia ny CENI, CNIDH, HCDDED ary ny CFM. Hatramin’ny fotoana nanoratana dia ampahany amin’ny mpikambana amin’ireny andrimpanjakana ireny no nandefasana fanasana. Misy parlemantera tsy nahazo fanasana. Hatramin’ireo raiamandreny mpitondra fivavahana aza misy tsy nahazo. Fanadinoana sa tsy fahaiza-mandamina sa inona no antony?
Raharaham-panjakana ifanotronan’ny samy Andrimpanjakana anefa no resaka ka tsy tokony ho ferana ny isan’ny hasaina.

Mbola ny fiadidiana ny Repoblika sa ny HCC sa efa ny ao amin’ny ARENA, araka ny resaka mandeha no manapaka sy mandray an-tanana ny fikarakarana io lanonana sy ny Arofenitra manodidina izany no mahatonga an’izao savoritaka izao. Aza adinoina ihany koa fa tsy vitan’ny hoe andrimpanjakana andrin’ny demokrasia sy ny fampihavanam-pirenena eto Madagasikara ihany koa ireo, fa misolotena andrimpanjakana sy fiarahamonim-pirenena ny mpikambana mandrafitra azy ireo avy. Ny tsy fanasana manontolo ny mpikamban’ny CENI toa mampametra-panontaniana hoe tsy hanao fifidianana intsony ve ? Ny fanavahana ny mpikamban’ny CNIDH nomena fanasana, toa mamofompofona fanosihosena zon’olombelona. Ny tsy fahazoan’ny mpikambana manontolo ao amin’ny HCDDED fanasana ve tsy efa finiavana tsy hanaja ny tany tan-dalàna, ary ny tsy nandefasana manontolo ny fanasana ho an’ireo mpikambana 33 mandrafitra ny CFM tsy efa fahalainana hanao fampihavanam-pirenena ? Tsy resahina intsony ny Filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety sy ireo tompona gazety marobe izay dinganina fotsiny. Izany rehetra izany dia efa maneho ny tsy hahombiazan’ny fitondrana Rajoelina sahady.