Fitondran-dRajoelina sy ny HCC Tafintohina ny mpino kristiana

Rajaonarimpanontsana

Nikoropaka ny tao an-dapa nanadio tena tamin’ny alalan’ny filohan’ny HCC, tamin’ny resaka tsy fampiasana ny Baiboly sy ny fanafoanana ny fotoam-pivavahana amin’ny fanaovana fianianana filoham-pirenena amin’ny sabotsy ho avy izao. Toa kobokoboin’ny marina, na koa nenjehan’ny eritreriny, ka lasa nanadio tena sao sanatria hanafintohina ny mpino Kristiana.

Nambara mantsy fa ny lalàna hono no hampiharina ary io no harahana. Na inona na inona filaza dia tsorina fa famakiana ady amin’ny mpino Kristiana tsotra izao ny zava-misy? Tohina tanteraka ny ati-panahin’ny Kristiana maro, eny fa ny tsy kristiana koa aza fa mpivavaka amin’ny finoana hafa. Ekena fa tokony harahana ny lalàna, fa angaha moa rehefa tsy voasoratra ao anaty Lalam-panorenana dia tsy tokony hatao ny hidera sy hisaotra an’Andriamanitra? Hisaotra an’ilay Tompo satria izao rehetra izao dia tsy nisy raha tsy Andriamanitra no nanao azy. Tsy hoe ananatra ireo milaza ho olon-kendry sy manam-pahaizana isika, fa mba manolo-kevitra, mba hahasoa ity firenena iombonana ity. Tsy fahadisoana ihany koa ny fanarahana ny Baiboly satria izay firenena tsy manana ny Andriamaniny dia ho very any amin’ny helo. Ny hanongotsongoana ny maty, hono, dia ny tahotry ny handevim-belona, hoy ny fitenenana Malagasy iray izay.

Maro ny fanehoan-kevitra mivoaka etsy sy eroa, fa raha atao salan’isa dia ny 75%-n’ireo nohenoina dia nanambara avokoa fa ilaina ny mametraka ny fianianana ho eo am-pelatanan’Andriamanitra sady tsy mandany fotoana ny fanaovana izany no tsy mandany volabe ihany koa. Ho an’ny mpino FJKM aza amin’ny Alahady izao no hanao fotoan-dehibe hitondrana amim-bavaka ny Firenena , etsy amin’ny Kianjaben’i Mahamasina. Ny hafa koa dia hametraka ny firenena ho eo ambany fitahian’Andriamanitra isam-piangonana rehetra any. Tsy voasoratra ao anaty Lalam-panorenana ihany koa izany. Ny fanjakana irery ihany no manao tsinontsinona izay fahendren’ny Malagasy izay, ka lasa manaotao foana.

Heverina fa mbola tsy tara raha hiverina amin’ny teniny ny Fanjakana fa mbola manana fotoana tsara sady tsy mahamenatra ny manao izany, fa vao mainka aza tsara orina ny fitondrana hajoro eo ambonin’ny finoana sy Ilay Mpahary.