10 Janoary 2019 – Fanambarana – Hanitra Razafimanantsoa

Nanao izay tokony natao isika ary niezaka foana hoan’ ny fitiavana ny Firenena fa Indrindra mba hamerina indray ny Filoha Ravalomanana ho eo amin’ny toerana nalaina taminy ankeriny. Tolona sy ady maro no natao sy natrehina: ady ho famerenana ny ” ordre constitutionnel” nivezivezena tany Afrika tany: Maputo, Addis Abeba, Swaziland, Afrika Atsimo, Namibie ans. Tsy nihemotra na inona nitranga fa nijoro hatrany.Nisy ambony nisy ambany.niaka’- nidina teny ny fiainam-pirenena.Nisy vokatra nahafa-po fa nisy koa ny fadisoam-panantenana.Nisy ny tolona hoan’ ny fanovana, nahafahana nanova ny lalàmpifidianana nanakana ny Filoha Ravalomanana tsy hirotsaka. Nanao ny aina tsy ho zavatra isika nampandany azy. Isaorana antsika izany. Nitohy tamin”ny tolona hoan’ ny fahamarinana izany. Samy mahalala isika fa fahamarinan’ ny HCC no navoakany. Feno10 taona izao ny tolona rehetra. Tapitra iny “bataille ” iny. Mikatona iny pejy iny.

Misaotra ny Filoha Ravalomanana nijoro sy nanome ohatra tsara hoantsika.Mankasitraka azy manokana aho tamin’ny fahatokisana napetrany tamiko tamin’ireo asa nampiandraiketiny ahy.Misaotra koa ny namana rehetra tsy ankanavaka Indrindra ianareo niara- nitolona.Matsiaro ireo namoy ny ainy sy nody mandry.

Misaotra ireo nanakana sy nanohitra antsika ihany koa satria raha tsy nisy izany tsy nisy antony ny tolona.Nampitombo ny traikefa sy fahalalana azoko ireny.Ny fifandraisako akaiky dia akaiky taminareo vahoaka Malagasy tsy ankanavaka tamin’ireny hetsika maro niarahantsika ireny dia lasa tombony sy tanjaka hoahy ihany koa ka nahafahako nijoro hatrany.Fisaorana eram-po eran-tsaina hoanareo.

Misaotra ny Fiangonana sy ny mpino rehetra nitondra ambavaka sy nankahery hatrany.

Namoaka didy ny HCC.Tsy azo ivalozana izay.Nanaiky izany didy izany ny Filoha Ravalomanana..Mandala ny tany tan-dalana sy ny demokrasia isika.Manaiky ny didy na tsy afa-po aza.Saro-tadiavina ny marina kanefa ny marina dia marina foana. Ny fahamarinana no manandratra ny Firenena.

Miarahaba ny Filoha vaovao sy mirary azy hahatontosa ny adidy sy andraikitrany.Manantena ny fanantanterahana ireo velirano nataony isika vahoaka.
Firenena iombonana ity ka samy hitondra ny anjara birikiny avokoa hampandrosoana azy.

Ny hevitra politika tsy mitovy, aoka tsy entina hifamotehina, hanagadrana na hanaovana antsojay. Miankina amin’izany ny fitoniana tadiavintsika.

Izaho kosa mbola hijoro hatrany raha toa ka ilaina izany hoan ny Firenena sy ny Fahamarinana.

Samy ho tahian’ny Tompo.