18:00 > Hery Rakotomanana – Filohan’ny CENI – “Parole de maçon”, ity no fifidianana madio indrindra teto amin’ny tantaran’i Madagasikara

Niala andraikitra ary nanadio tena ny avy eo anivon’ny CENI manoloana ireny tsikera niseho tao aorian’ny fifidianana.
Tsy mbola nisy fifidianana nadio sy nangaraharaha tahaka ny tamin’ity fifidianana filoham-pirenena teo ity teto amin’ny tantaran’ny Madagasikara araka ny nambaran’ny filohan’ny Ceni Hery Rakotomanana. Nomena fahafahana hanao fanamarinana,hampitovy ny PV, hanao fitsirihana ny “logiciel” nampiasain’ny CENI ireo avy amin’ny kandida tsirairay, mazava araka izany hoy hatrany ny CENI nangarahara iny fifidianana iny. Niaky kosa anefa izy ireo fa nisy ny lesoka nandritra iny fifidianana iny ka hampiseho imasom-bahoaka ireo lesoka rehetra hita nandritra ny fifidianana izy ireo ny 24 janoary ho avy izao.