Praiminisitra Ntsay Christian – Mihevitra ny hamoritra mpanao gazety

Ntsay le clown

Helisoa

Notorian’ny Praiministra Christian Ntsay ho nanao fanakorontanana ny filaminam-bahoaka sy fanohintohinana ny fiandrianam-pirenena, ireo mpitarika ny hetsika eo amin’ny kianjan’ny 13 mey, ahitana an’i Me Hanitra Razafimanantsoa, Fidèle Razara Pierre, Eliane Bezara, Faniry Erinaivo, Rolly Mercia ary ny mpanao gazety Fernand Cello.

Ny mahagaga anefa dia am-pilaminana tanteraka no nanaovana ny hetsika ary tsy nisy ny fihoaram-pefy. Vokatry ny fanakanana ny fidirana tao amin’ny kianjan’ny 13 Mey kosa no nahatonga ny sakoroka ny alarobia lasa teo, fa tsy avy amin’ny mpitolona na ny mpitarika akory.

Mipetraka eto ny fanontaniana, mba iza loatra aza no mpanolotsainan’ingahy PM ao? “toutes les personnes impliquées coupables d’atteinte à la sûreté intérieure de l’état et participation à une manifestation interdite”… Firy moa ny isan’ny olona teny amin’ny 13 Mey. Ny mahagaga dia samy depiote i Maître Hanitra Razafimanantsoa sy Rossy! samy mpanao gazety i Fidèle Razara Pierre sy Lalatiana Rakotondrazafy ary samy mampiseho ny maha izy azy avy. Ny mpomba ny kandida 25 nampanantsoina. Ny andaniny mpomba ny kandida 13 kosa dia manohy ny fanaony manala baraka olona, tsy atao n’inona na inona satria azy ny Praiministra.

Mbola tsy tena eo amin’ny fitondràna ve ny MAPAR fa vao Praimininitra avy aminy no mitondra dia efa izao sahady no zava-misy? Tsy misy fanonganam-panjakàna sy fanozongozonana mpitondra anie eto fa fitakiana ny marina tamin’ireo halabato nivandravandra tamin’ny fihodinana faha 2 e!

Tadidio Andriamatoa Praminisitra fa ireo olona ireo no nametraka anao teo amin’io seza volamenanao io, fa tsy ny MAPAR irery, Praiministry ny marimaritra iraisana ianao tamin’izany. Sa ianareo ilay nitsipa-doha lakana nitana? Niharitra ny baomba mandatsa-dranomaso teny amin’ny 13 Mey daholo ireo tamin’ny 21 Aprily 2018, tolon’ny depiote 73, nitaky ny fanovàna teto amin’ny firenena. Ireny no azo lazaina fanonganam-panjakana satria nisy nitondra vatapaty nandevina ny fitondràna HVM ny tariky ny MAPAR tamin’izany ary niventy ny MIALA RAJAO.

Dia miandry ny tohin’ny tantara ny vahoaka Malagasy raha tena sahy hisambotra ireo olona ireo tokoa ianao sy ny Préfet de police eo ambany fiadidinao.