14:20 > Kianjan’ny 13 Mey – Vaovao farany (37) – Nini Doniah – Miantso ny olompirenena mangetaheta fahamarinana ho tonga eny an-kianja

Manao antso avo ho an’ny olompirenena i Nini Doniah ho sahy hijoro mandrakariva na misy ny teritery. Misy ny fiarahana eo amin’ny kianja, mihirahira sy mifanome tanana honporofon’ny firaisan-kina.

Na andro Alahady àry dia efa tonga ny vahoaka hijoro ho an’ny fahamarinana.

Tsy hihemotra ary hampiseho ny fahavononana hitolona ho an’ny taranaka.