HCC – Jean-Eric Rakotoarisoa – Asakasak’izay hitsivalana amin’ny famerenana ny hasim-piandrianan’ny Fanjakana Malagasy

Ampatsiahivina ny tsirairay fa tsy ny fitsarana no mifidy ny kandidà ho lany fa ny vahoaka Malagasy izay ny mpifidy rehetra no misolo toerana azy.

Ny asan’ny fitsaràna dia ny hampanaja ny tena safidin’ny mpifidy. Raha resaka fifidianana dia tsy misy ny fahagagàna na ny “magie”.

Misy zavatra iray tsara ho fantatrareo. Ireo izay mahalala ny tantaran’i Madagasikara, ny tantara tena izy fa tsy ny tantara ôfisialy, dia mahafantatra fa ity taona 2018 ity dia fotoana tokony hamerenana ny hasim-piandrianan’ny Fanjakana Malagasy very sy novonoina ary nofafàna tamin’ny fanjanahantany.

Adidintsika ankehitriny, indrindra izay manantena hitondra ny tany sy ny fanjakana no manatanteraka izany ka asakasak’izay mitady hitsivalana amin’izany fa “Masina ny Tanindrazana“.