15:30 > Kianjan’ny 13 Mey – Vaovao farany (34) – Tsy mihemotra ny vahoaka – Miara-mihira ny mpitolona ho an’ny fahamarinana

Mbola mirefodrefotra ny baomba mandatsa-dranomaso sy ny fifanenjehana toy ny saka sy voalavo.

Mijanona eo amin’ny Kianjan’ny 13 Mey ny vahoaka. Tsy mihemotra na dia ampitomboin’ny mpitandro filaminana ny herisetrany amin’ny alalan’ny fisamborana sy ny baomba mandatsa-dranomaso mafimafy hery manoloana ny tanam-polo.