14:30 > Kianjan’ny 13 Mey – Vaovao farany (33) – James Ratsima – “Ajanony ny eritreritra fa ho voaforitrareo daholo ny Malagasy”

Vahoaka milamina mitaky ny fahamarinana no tonga teto amin’ny 13 Mey kanefa “bombe lacrymogène” mahery vaika sy herisetra ary fanararaotam-pahefana no navalin’ny zandarma.

Ny lalao mbola ho ela. Praiministra ianao ary 15 andro sisa ianao dia miala eo.
Ianareo ao anaty governemanta, mialà raha tsy te-hiray tsikombakomba aminy.

Mitaky ny fahamarinana no ahatongavana eto amin’y 13 Mey, mba tsy hisian’ny halabato intsony eto Madagasikara. Raha mbola izao anefa no mitohy ka tsy vitantsika amin’ity indray mandeha ity, dia ho very tanteraka ny firenena eo am-pelantan’ny “mafia” sy ny mpangala-bato mandrakizay. Tsy azo ekena izany amin’ny fomba rehetra.

Koa alefaso ny “lacrymogène”-nareo, vonoy ny vahoaka. Androany ianareo mamono olona. Teninareo ao amin’ny tafika dia “Ho an’ny tanindrazana, ho an’ny vahoaka!”. Koa miverena amin’ny lalàna, miverena amin’ny vahoaka.