13:30 > Kianjan’ny 13 Mey – Vaovao farany (31) – Miverina manodidina ny kianja ny vahoaka

Tsy manaiky lembenana ny vahoaka fa misintaka kely dia miverina indray, ary miandry toromarika avy amin’ny mpitarika. Mila malina ny vahoaka satria mety hisy ny alaim-panahy handoto rano.

Ny irariana dia ny hilamina ny fifanenjehana ary hanatanteraka ny tolona am-pilaminana ny vahoaka.

Tsy misy mieritreritra ny hanao ratsy na hanakorontana araka ny voizin’ny sasany fa tolona am-pilaminana.

Vahoaka an-tanam-polo no ezahina rangitina ao anaty baomba mandatsa-dranomaso.