12:00 > Kianjan’ny 13 Mey – Vaovao farany (27) – Mananatra ireo mpitandro filaminana ny olompirenena tsotra

Mitombo ny fahasorenana manoloana ny fanakanana ireto olompirenena tsotra mitaky fahamarinana am-pilaminana.

Maro ireo sahy maneho sy manazava ny fitakiany ary mananatra ireto mpitandro filaminana izay Malagasy toa antsika koa, kanefa lalaovin’ireto mpanao politika maloto.