09:30 > Malasasy mitaky ny marina – Etazonia – Fifidianana – Fanambaràna

Izahay Malagasy monina sy miasa eto Etazonia izay mandala ny fahamarinana dia manao izao fanambarana izao.

Melohinay
– ny hosoka faobe,
– ny tsy fanarahan-dalana,
– ary ny herisetra
nandritry ny fifidianana izay ho filoham-pirenena tamin’ny fihodinana faharoa iny.

Santionan’izany hosoka izany dia ny fampiasana karapanondrom-pirenena sandoka nataon’ireo olona sasany;
ny fampiasam-bola mihoampapana tsy fanta-pihaviana;
ny fampiasana bileta tokana efa nisy marika (pre-coches);
ny famadihana ny isam-bato azon’ny K25 ho an’ny K13;
ny fanaovana PV hosoka na fampitombona ny isa azon’ny K13 ao anatin’ny PV;
ny tsy fanarahan-dalana nataon’ny CENI ka tsy nisy numero de serie ny bileta tokana izay mifanohitra amin’ny lalàna misy;
ny fampiasan-kery ka nahafatesana olona telo ary nandrantrana olona maro, ny fampihorohoroana, sns.

Noho ireo antony ireo dia mitaky ny hamoahana ny tena marina momba iny fifidianana iny izahay.

Izahay ihany koa dia manohana ny hetsika ataon’ireo Malagasy izay mitaky ny fahamarinana eo amin’ny kianjan’ny ‪13 Mai‬.

Mangataka ny HCC izahay mba handinika lalina ireo hosoka faobe sy ny tsy fanarahan-dalàna maro voarakitra amin’ireo fitoriana maro samihafa eo ampelantananareo ary hanafoana iny fifidianana feno hosoka iny.

Mangataka ihany koa izahay mba tsy hisy ny tsindry azonareo avy amin’ny fiombonambe iraisam-pirenena fa ho tena ho sarotiny ianareo ary hiaro ny fiandrianam-pirenena Malagasy na dia ry zareo aza no nanampy tamin’ny fanantontosana iny fifidianana iny.

Natao teto Washington DC, androany faha-3 Janoary 2019.

Ireo Malagasy mitaky ny marina eto Etazonia