12:30 > Ambovombe Androy – Fitsanganana vavolombelona sy hafatra ho an’ny ray aman-dreny am-pinoana

Mampahatsiahy ity ray aman-dreny ity ny hafatra napetraky ny kardinaly Tsarahazana milaza hoe: “Reseho amin’ny tsara ny ratsy”. Ary miangavy ny ray aman-dreny am-pinoana hanatanteraka ny adidiny amin’ny fampahatsiahivana izany amin’ireo mpitondra fanjakana izay mandala ny fivavahana kristianina.

Milaza ity ray aman-dreny avy any Ambovombe Androy ity fa mandala fivavahana jentilisy, ary anefa mampihatra ny torolalana kristianina. Koa miangavy ireo tompon’andraikitra ao amin’ny fanjakana mba tsy hivily amin’ny fahamarinana.

Manome hafatra ny ministry ny foloalindahy koa ity ray aman-dreny ity fa mijaly ny mponina any Ambovombe Androy noho ny asan-dahalo. Kanefa maro ny miaramila mitangorona eo amin’ny kianjan’ny 13 Mey, ary ny olona Malagasy toa azy izay mitaky ny zony ampilaminana indray no darohana. Koa miangavy izy mba handefa azy ireo hiaro ny mponina izay mijaly tsy matory andro tsy matory alina miambina ny any an-tsaha sy ny ao an-tanàna.

Ary farany dia miara-miondrika amin’ny havana any Mahajanga ny tenany manoloana ny namana izay namoy ny ainy noho ny herisetra tamin’ny fifidianana. Maniry ny namana hiandry am-piadanana sy ho lasa tantely ho an’ny firenena izao famoizana aina izao.