18:00 > Taratasin’ny mpamaky ny gazety Ny Valosoa Vaovao

1- Filoham-pirenena no tadiavina:
a. filoha mamerina ny hasiny amin’ny olompirenena
b. filoha hitondra fandrosoana

2- Vao misy halabato, na iray monja aza, dia mitory ny maha-izy azy an’ilay nanao halabato:
a. “tsy misy hasiny, tsy misy vidiny, maty eritreritra”,
b. tsy mendrika ny ho filohampirenena,
d. tsy mila fakafakaina hafa ankoatr’izay.

3- Raha manaiky ny amerenana ny fanisàna ny vato, na famerenana ny fifidianana, dia:
a. midika fa manaiky ny ampitoviana ny zon’ny mpifanandrina, samy mety ho lany na ny maty eritreritra na nandeha ara-dalàna,
b. midika fa azo laniana ihany ny olona maty eritreritra, manitsaka ny zon’ny mpiray tanindrazana,
d- midika fa “Azo ekena hitondra ihany ny mpangala-bato raha lany eo”,
e- midika fa hamela ny maty eritreritra, hanomana fanitsahana ny zon’olombelona malagasy manara-penitra kokoa,
f- midika fa manaiky ny fitondran’ny maty eritreritra ny rehetra. Ny maha-izy azy ihany tsinona no hitondra eo.

4- Fehiny: tsy misy afa-tsy ny “disqualification” no sahaza izay fifidianana misy hosoka. “Disqualifier”-na ny mpangala-bato.

5- Tsy ampisafidianana amin’ny maty eritreritra sy ny tia tanidnrazana ny olompirenena. Ny olompirenena tia tanindrazana ihany no tokony hitondra firenena.

Ralantoarisoa Marius
Mpamaky gazety Ny Valosoa Vaovao