21:30 > Saïd Allaoui – K25 – Nodimandry vokatra ny herisetra tamin’ny 14 Desambra

Nodimandry tamin’ny 5 ora hariva teo teto Antananarivo i Saïd Allaoui ilay mpikatroka K25 ao Morondava nisy nidaroka tamin’ny 14 desambra lasa teo. Tsy hipetra-potsiny ny fianakaviana ary efa nametraka fitoriana.

Efa fantatra moa ny olona nanao izao loza izao araka ny nambaran’ireo akaiky azy ihany ary misy ifandraisany amin’ny resaka politika izany.

Entina any Mahajanga anio ny razana. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana.

LaChasse-Info.com