14:00 > Mahamasina – Fitsanganana vavolombelona – Riribe – Mbola vonona na ho faty àry!

Tany amin’ny disitrikan’Ambovombe Androy dia novoriana ny sefom-pokontany, ny ben’ny tanàna, ny sefo distrikan’Ambovombe. Nolazaina tamin’izany fa raha tsy mifidy ny kandidà n°13, ka mampandany azy izy ireo dia ho esorina amin’ny asany ary ho atao hazalambo amin’ny resaka volam-panjakana.

Nisy kaominina roa izay sahy nijoro tamin’ny heviny, dia ny kaominina Antanimora sy Jafaro. Fa ny sisan’izay dia natahotra. Azo feo sy azo sary izany ary efa any amin’ny foibe izany.

[…]

Tsy ekena na hiafara amin’ny aina àry ity, tsy azo ekena ny voka-pifidianana. Izaho Riribe dia asehoko eto, f’efa nidaboka in’efatra teto amin’ity firenena ity tamin’ny resaka fitiavan-tanindrazana. Hijoro indray mandeha indray ary mbola vonona na ho faty àry, fa tsy azo ekena hitondra firenena ny olona mpangala-bato.