03:30 > Fifidianana – Fijoroana vavolombelona – Senatera Auguste Philippe Randrianandrasana

Riana Rabemananjara (MBS): Inona no tsara hamafisana amin’ny sain’ny Malagasy tia fahamarinana manoloana izao toe-javatra izao?

Senatera Auguste Philippe Randrianandrasana: Ho antsika vahoaka Malagasy, aza manaiky io voka-pifidianana io, ary tandremo fa raha manaiky io voka-pifidanana io isika, ny fifidianana manaraka rehetra eo dia ho hoatran’io foana. Ho anao izay te-hilatsaka ben’ny tanàna na depiote, raha manaiky izao voka-pifidianana izao dia aza mieritreritra ny ho lany eo raha tsy kandidan’ny MAPAR. Tsy ho lany eo intsony ianao satria ankehitriny tsisy fandresen-dahatra izany intsony ny politika. Raha mbola mandeha izao gaboraraka izao, tsy misy fandresen-dahatra intsony ny politika fa vola no miasa, vidiana ny “bureau électoral”, vidiana ny “délégué d’arrondissement”, vidiana ny “chef de district”, vidiana koa ny rantsamangaikan’ny Céni, dia lany.
Ka mba tsy hisian’izay dia mila mijoro amin’ny marina isika. Ary ny porofo dia tokony omen’ny CENI sy ny HCC malalaka fa tsy voatery hoe tsy voasoratra anaty ny lalàna. Ka natao hamonoana antsika izany ny lalàna raha ohatra ka tsy eken’ny lalàna ny hamoahana ny taratasy rehetra izay ilaina. Satria raha tsy azo jerena ireo, ny HCC koa dia tsy hijery fa ny PV maloto io ihany no ho kirakirainy eo. Be dia be loatra ny hosoka. Tao amin’ny “bureau de vote” tao Manara (Farafangana), dia nisy vato 155 tsy ara-dalàna azon’ny kandidà laharana-13. Eritrereto fa 24852 ny “bureau de vote” eto Madagasikara, ka raha 4000 fotsiny no ahazoana vato 155 dia efa any amin’ny vato 600.000 mahery no ampy andreseny malalaka. Fa raha tratra kosa io dia ampy maharesy azy.