13:30 > Fanirisoa Ernaivo – Ho fongarina ny hosoka

JOYEUX NOEL A TOUS ARY MIRARY FETY SAMBATRA HO ANTSIKA REHETRA!

Saingy mbola miady hampivoaka ny fahamarinana isika fa tsy avelatsika ho robain’my mpandrava ny firenentsika!!!

Maro ny zavatra lazain’ireo mpomba ny 13, fa ny tsy azo lavina sy tsy azony ovàna dia EFA NOLAZAINA FA MARO KOA IREO HOSOKA ISANKARAZANY NATAON-DRY ZAREO tamin’io fifidianana io !

Ka na iza tsy faly dia APOITRATSIKA ARY TSY AVELAN-TSIKA RAHA TSY MANDRESY NY TENA MARINA!

Nangataka confrontation sy verification ary comptage des voies sy ny bulletins uniques non utilisés izahay ary dia nahazo alalana tokoa! Koa natao ireo verifications, nomena ny liste ary aoka hazava ISIKA REHETRA NO NIARA-NAHITA, NIARA-NAHENO FA MARO NO OLONA NOVIDINA HANDATSA-BATO. Na ny mpanara-maso iraisam-pirenena aza efa niteny izany nandritry ny fiodinana voalohany, mbola henon-tsika sy hitatsika ary nanerana ny nosy izany, nisy nitsangana vavolombelona!

Ka hitanay tao koa refa nanao verification izahay FA MARO IREO BULLETINS PRÉCOCHÉS NA COCHÉS nataon’olona iray kanefa vaton’olona maromaro! Hita izany ary efa nandraisanay soratra sy nisaina daolo!

Misy koa ireo nitaraina fa misy bourrage na urne ka fenoin-dry zareo bulletin n°13 ny urne ka asesika ao izany dia soniavin’olon-tokana na asiana peta-tondro miverimberina ny liste. Hita koa izany tao!!!!

Fehiny mbola mitohy androany sy rapitso ny fidinana eny atoerana ataonay ekipa ny LEGALTEAM K25 CO25 ary tsy avelantsika amin’izao io fa ho fongarina ny hosoka rehetra ao!

Tsara marihina fa isika koa miara mahita ny vokatra mivoaka amin site ny CENI ka ireo zay mbola mahatsikaritra fa novàna ny isambaton’izy ireo fa efa misy liste ao aminay ao, dia miantsoa avy hatrany ary tongàva manatevin-daharana ny mpanao fanisàna.

Na dia vato tokana aza no voahodina dia efa tsy ekena izany ary tsy ireo tratranay omaly ireo iany no hitantsika fa maro dia maro ka hapoitran-tsika tsy hisy ho takona ireny!

Hitantsika ny fihetsika feno herisetra nasehon’ny mpomba ny n°13 ireny. Raha tsy misy atahorany ireo, inona no mampisahotaka azy ireo?

Fa manahy mafy sao ho tratra ny HOSOKA SY LAINGA ka mandrovi-tsihy sahady!

Fa tsy manakana na manakivy antsika hanohy ny fiadiana amin’ny hosoka izany ka dia ho avoakan-tsika eto ary alefa any amin AMBARATONGA MPITSARANA SAMIHAFA ny fitoriana mahakasika izay hosoka tratra!

#TsyManaikyIntsonyNyFanodikodinanaSafidimBahoaka
#CO25ManohanaAnIMarcRavalomanana