Alahady 23 Desambra 2018 – Kabarin’i Marc Ravalomanana – Voahosihosy ny safidim-bahoaka

Voahosihosy ny safidim-bahoaka noho ny herin’ny vola. Nanjaka ny hosoka sy ny herisetra.

Nisy fiantrakany tamin’ny voka-pifidianana izany rehetra izany

Tsy azo antoka ny voka-pifidianana, “élections non crédibles”, avoakan’ny CENI amin’izao fotoana izao, ary tsy voahaja ny mangarahara, “élections non transparentes”.

[…]

1. Miangavy ny CENI sy ny HCC hanarina ny lesoka dieny mbola tsy tata, hihaino sy handray ny fitarainana

2. Miantso ireo olona izay voahosohoso ny safidiny hitsangana ho vavolombelona

3. Miantso ny Malagasy rehetra mahatsiaro ho voahosihosy sy novererina zo hitsangana sy hiaro ny safidiny