11:00 > Fifidianana – Ho sarona ny hosoka – Ho ampitahaina hatramin’ny bileta tokanar

Arakin’ny tenin’ingahy Ratsietison Jean Jacques dia:

Misy “numéro de série” ny “bulletin unique”. Ary fantatry ny CENI hoe BV aiza no handehanan’ny bileta tokana.

Ka noho izany, tsy vitan’ny “confrontation BV” fotsiny no ilaina fa “confrontation bulletin unique” mihitsy.

Ny ahiahy tsy ihavanana ka raha tsy mila korontana ny CENI dia aoka ny fanisam-bato dia atao fanamarinana amin’ny “Numéro de série”-n’ny “bulletin unique”.

Efa fantatra mantsy fa maro ireo bileta tokana tsy nampiasaina ka tsy fantatra ho nankaiza, ary koa ireo bileta tokana “photocopie” niparitaka.