19:20 > Fifidianana – Vaovao tapatapany (26) – Faritra Sava – Fitifirana mpanatitra voka-pifidianana tao amin’ny SRMV

Nilamina amin’ny ankapobeny ny fifidianana fihodinana faharoa tany amin’iny faritra Sava iny araka ny fanambarana avy amin’ny solombavambahoaka Laisoa Jean Pierre na Jaovato.

Nahitana hetraketraka sy fanakorontanana avy amin’ireo mpanohana ny kandida laharana faha-13 kosa anefa. Tsy vitan’izany fa mbola mandrahona sy maniratsira ireo tompon’andraikitra sy ireo izay tsy mitovy safidy amin’izy ireo.

Niala an-daharana tao amin’ny biraom-pifidianana avokoa ireo delegen’ny kandida laharana faha-25 noho ny fampihorohoroana nataon’ny mpomba an’i Rajoelina azy ireo tany Antalaha araka ny fanambarana avy amin’ity Solombavambahoaka ity ihany.

Araka izany, nanjakain’ny mpomban’i Rajoelina tany an-toerana. Efa mandeha ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao ka ho fantatra tsy ho ela ny mety ho tohiny.