400.000 karatra tonga dia ho an’i Andry Rajoelina – Birao Anosibe – Kara-pifidianana miverimberina – La machine à tricher est en marche!

Misy kara-pifidianana tsy voatery ao anaty lisitra azo ifidianana in-dimy… Telo alina (150.000 fmg) isaky ny kara-pifidianana iray… Manaporofo ny vahoaka fa nisy hosoka betsaka tamin’ny fihodinana voalohany…

Manomboka ny fanakaramàna olona hifidy imbetsaka amin’ny fihodinana faharoa… Misy ny tsy manaiky atao fitaovana ka nandaza izany.

Mbola ambonin’izany ny famenoana ny vata-pifidianana ny andro mialoha ny andro fifidianana izay iarahana petsapetsa amin’ny sefom-pokontany… Mandeha ny fitoriana amin’izany.

Manomboka misokatra ny mason’ny vahoaka eo anatrehan’ny fampiasan’ireo mpangoron-karena ao ambadik’i Andry Rajoelina. Ireo no mividy ny safidim-bahoaka mba hanabotriana azy.