EDITO 15 Desambra – Zava-doza ny mifidy Rajoelina

Rajaonarimpanontsana

Tandindonin-doza ny firenena raha sanatria ka Andry Rajoelina no hitondra ny firenena. Ny antony dia tsotra : olona lian’ady  io, tsy mijery hafa-tsy  ny tenany manokana. Olona tsy azo antoka fa tranon-dainga , no mpanao ronono an-tavy . Ny tetik’adiny dia tsy manao hafa tsy  mamafy  lainga tsara lahatra, kobaka am-bava ary tsy manao raha tsy manenjika  izay  tsy mitovy hevitra aminy. Ireo heveriny fa hanakantsakana ny tombontsoany dia avy hatrany dia   kapainy  hatreny  ifotony.Amboletra no hanatanterahany an’izany  miaraka amin’ny herisetra sy fandrahonana na mivantana io na an-kolaka. Ohatra mitohaka amin’ny tendany ny hoe « tsy maintsy mandresy izy na inona midona na inon-kihàtra ». Izany hoe , rehefa tsy lany ny tenany dia tsy maintsy hitady hevitra izy ho filoham-pirenena. Efa diso fanantenana ny tenany tamin’ireny  1er tour dia tsy vita ireny  na dia nanantena mafy aza satria efa nanaparitaka volabe nividianana  ny mpifidy.  Andry Rajoelina rahateo niolakolaka raha nanontanian’ny mpanao gazetin’ny  TVM sy RNM raha hanaiky ny valim-pifidianana na tsia. Tsy novaliany nivantana rahateo izany.Zava-doza hoy isika raha sanatria izy no hitondra fa dia hivarilavo mihitsy ity firenentsika ity. Ireo tetik’asa heveriny hambaboana ny vahoaka rehetra ireo dia aoka ho tsorina fa fitaka be vava avokoa, fivarotana tanindrazana ary hanalana ny Malagasy amin’ny taniny. Tsy hoe fitiavana hanao fanakianana be fahatany fotsiny fa rediredin’ny mpanonofy no ambarany. Hevero fa iza no hahavita manorina trano 25 isan’andro raha mahakasika ny famoronana trano mora sy Building Mora no resahana ? Vola avy aiza koa moa no hanaovana an’izany ? Tsy nahitam-baliny avokoa ireo fa ny azo ambara dia vola nangalarina avy tamin’ny harem-pirenena naondrana tany Dubai sy Chine no ampiasainy amin’izay tiany hanaovana azy. Zava-doza ihany koa no hitranga eto fa vao mainka hitombo ny tsy fandriampahalemana , tsy hatory an-trano ny mponina any ambanivohitra vokatry ny fampihorohoroana sy ny asan-dahalo izay ireo ekipan-dRajoelina ihany no tompon’antoka.Ny fahasalamam-bahoaka tsy mandeha amin’izay izy fa rehefa tsy manam-bola , rehefa tsy TGV na MAPAR na tsy iray tarika aminy dia aza manantena fa hahazo fitsaboana sahaza eo. Mbola tena zava-doza ihany koa fa hanjaka ny fampisaraham-bazana ny samy Malagasy. Voizin-dRajoelina amin’ny fitetezam-paritra rehetra eny izay fambolena fankahalana sy fampiadiana ny samy Malagasy izay. Loza !!. Mahakasika ny fampianarana indray dia hitombo isa ireo ankizy tsy hiditra an-tsekoly fa tsy maintsy handoa vola vao afaka mampiana-janaka ny Ray aman-dreny. Raha toa tokoa mantsy ka tafiditra nianatra  avokoa ny ankamaroan’ny  zanaka Malagasy dia tsy hisy olona azony ambakaina intsony ka ho sarotra aminy ny hamitaka ny vahoaka amin’izay fotoana izay .Ny vary Mora foana no hanjonoana ny fon’ny vahoaka kanefa iaraha-mahita fa tsy haharitra aman-taonany,  na amam-bolana ny hanaovany ireny , tahaka ny niainan’ny mponina nandritra ny Tetezamita teo ihany. Ho an’ny filoha Marc Ravalomanana anefa ny vola hoentina hampandrosoana ny firenena efa hita avokoa ary avy hatrany dia afaka miasa noho ny fahaizany mifampiraharaha amin’ireo mpiara-miombon’antoka. Io no maharesy lahatra ny mpifidy izay voarakitra ao anatin’ny  Manifesto sy ny Map 2, mirakitra ny Vina  sy paika entina hitantanana ny firenena , entina hampandrosoana an’i Madagasikara ao anatin’ny fotoana fohy  . Ny an-dRajoelina kosa ny fahefana aloha, izay vao mangoron-karena, ka ny ambin’ny remby azony no hozaraina ho an’ny vahoaka Malagasy. Ny tena angadin-dRajoelina Andry izany dia ny fikarakarana lanonana sy rendrarendra tsy miantraika any anaty vilanin’ny vahoaka maro an’isa akory. Santionany ihany ireo fa mbola hamafisina hatrany fa Zava-doza raha sanatria ka i Andry Rajoelina no hitondra ny firenena mandritra ny  5 taona manaraka eo. Ny fanafodiny dia ny fahatongavantsika maro hifidy ary hifidy ny laharana 25, Marc Ravalomanana, satria  mpanangana izy fa tsy mpandrava.