16:00 > Misy safidy tsara sy tsotra, k’aza mianatra ny fozaorana

https://blogdemadagascar.com/scientifiques-decouvrent-lorigine-foza-orana/
Credit: Ranja Andriantsoa

ANAO NY SAFIDY!

Ny mpanangana sa ny mpanongana?
Aoka ianao tsy ho diso safidy.
Tena olona sa sary vongana
No omenao ny fanalahidy?

Ny mpanorina sa ny mpandrava?
Idifio irony lala-nandoza.
‘Ndeha tohizo ny lala-mazava,
Atsaharo ilay hoe « lalam-poza ».

Ny efa matotra sa boaikely?
(Mitandrema sao diso ny rasa!).
Mba ny tsara no ataovy modely,
Dia mahaiza mijery ny lasa.

Roso miadana sa dia mianotra?
Mbola lavitra anie ity hizorana!
Misy safidy tsara sy tsotra
K’aza mianatra ny fozaorana.

SEDERA RAVALISON (04-12-18)