11:00 > Antananarivo – Lapan’ny Tanàna – Mpivady vao 45 natao soratra faobe

Nankalaza ny fisoratam-panambadiana faobe teo amin’ny Lapan’ny Tanànan’Antananarivo tetsy Analakely androany 6 Desambra maraina ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana.

Mpanambady vao 45 no natao soratra tamin’izany. Nitondra vavolombelona roa avy. Natao izao satria anisan’ny nitezaina ny vahoaka Malagasy ny hanana tokantrano vanona sy ara-dalàna ary ho modely eo amin’ny mpiaraha-monina.

Tsapa fa maro ireo tsy mivady eo amin’ny kaominina. Eo koa ny taona mifarana. Ka nanapa-kevitra ny kaominina fa hitaona ny olona hanatanteraka fanambadiana miara-mizotra.

Ny irina dia ny mba hanarahin’ireo izay tsy mbola misoratra.

Boriboritany voalohany aloha no niantombohan’izao. Ary raha misy hafa mangataka dia ho raisina ny fangatahana satria izay no soa iombonana.