18:00 > Marc Ravalomanana – n°25 – Fihodinana faharoa – 19 Desambra – Manohana Nini Doniah

Nankasitraka an’Andriamanitra Nini Doniah tamin’ny fanazavana ny safidy tokony ho ataony.

Namaky ny Manifesto i Nini Doniah ary isany hitany tao ny vaha-olona amin’ny mampitaraina any amin’ny faritany, dia ny fanaparitaha-pahefana na décentralisation.

Notsindriny fa n’aiza n’aiza alehan’i Dada manao praopagandy dia maneho fitiavana tsy ankanavaka ny tenany, no hitany koa fa mandray andraikitra malaky.

Efa hain’i Dada ny raha tsy mety eto Madagasikara sy ny raha mety.

Ka izay no mahatonga an’i Nini Doniah miantso ny namany maro dia maro hanohana an’i Dada ary hanao izany amin’ny fo fa tsy tambazana vola.

Manentana ny Malagasy manerana ny Nosy izy, indrindra fa ireo “fan” hifidy an’i Dada satria izy no hanavotra ny firenena ary hanome “avenir” ny tanora sy ny Malagasy rehetra manerana ny Nosy.