14:00 > Brickaville – Fidio ny kandidà laharana-25, Marc Ravalomanana

Mpanangana fa tsy mpandrava
Manolotra soa lalandava
Filoha tena azo antoka
Fa hanarina ny fatiantoka

Dia i Marc Ravalomanana

Naongana fa tsy mpanongana
Raha mbola namaha ireo olana
Naratsiana fa tsy nanaratsy
Filoha mitsinjo ny gasy

Dia i Marc Ravalomanana

Nandresy izy na dia nodorana
Ny orinasa ary koa ny fananany
Fa tsy namboly korontana
Noho ny fahendrenana ananany

Dia i Marc Ravalomanana

Izy no tena filoha
Ankatoavin’ny iraisam-pirenena
Tena modely tokoa
Fa tsy mba lehilahy tia tena

Dia i Marc Ravalomanana

Ny rehetra nandray tombontsoa
Na ny mpianatra na ny mpampianatra
Ny mpitehaka sy ny hafa koa,
Ireo be antitra, teo koa ny tafika

Sivy taoana niheretana hatreto
Ireo Malagasy tsirairay
Hatramin’ny 2009
Dia teny nijaly izahay

Koa amin’ny 19 desambra
Ndao isika hamita adidy
Hampilaza ary koa hanangona
Fa i Dada no handeha ho finidy

Koa aza mitaraikiraiky
Entano daholo ny namana
Handrotsaka nomerao 25
Dia i Marc Ravalomanana

Koa aza sodoka ny androany
Tsinjovy ny taranantsika
Ka ny nomerao 25 ihany
Izy no tena mahavita

Satria tonga miaraka no fanombohana
Miasa miaraka no fahombiazana
Dia i Marc Ravalomanana
nomerao 25, no tena 5/5