EDITO 4 Desambra – An’hetsiny ireo fianakaviana nopotehin-dRajoelina ny fiainany

Sôh’son

Misy olona mitady hanarontsarona zavatra eto ary mihevitra ny hanakona ny zava-nisy nataon-dRajoelina teto amin’ny firenena. Ny lasa tsy fanadino, fa namela takaitra teo amin’ny fiainan’ny Malagasy marobe ny nataon-dRajoelina nanomboka ny taona 2009. Takaitra izay mbola tsy sitrana mandraka ankehitriny. Maro ireo olona, raim-pianakaviana sy renim-pianakaviana no nanana asa nivelomana tsara tamin’izany fotoana izany. Eny tsy lavina tsy tanteraka fa nahavelona tsara kosa. Anisan’izany ireo mpiasa marobe an’alina maro tany amin’ireo orinasa afa-kaba. Maro tamin’ireo mpiasa nanana fianakaviana niasa tamin’ireny orinasa ireny no afaka nanofa trano, na afaka nanorina mihitsy aza ny sasany. Ny hetsika nataon-dRajoelina sy ny forongony tamin’izany anefa, nisiana fandrobana, fanapotehana, fandorana orinasa teto amin’ny firenena nanerana ny Nosy, no nampikatona orinasa afa-kaba maro ary niteraka tsy fananan’asa ho an’ireny mpiasa aman’alina maro ireny. Anisan’ny hambara ao anatin’izany ny orinasa Tiko nanerana ny Nosy ary aman’alina maro ihany koa no very asa, ary nisy fiantraikany ratsy tanteraka tamin’ny fiveloman’ireo fianakaviana niankina tamin’ny orinasa na niara-niasa tamin’ireny orinasa ireny izany.

Rajoelina mpandrava fa aoka hazava ny resaka. Fiainam-pianakaviana aman’hetsiny no potika noho ny teti-dratsy fanonganam-panjakana teto tamin’ny taona 2009. Tsy ny fahavitan’ny Lapan’ny tanàna velively no hanasana ny lambany maloto ka hamadihana na hanarontsaronana ny resaka hoe tsy mpandrava izy. Olona firy akory no namoy ny ainy vokatry ny faharavan’ny fivelomany sy ny fahantrany tampoka noho ny hetraketraky ny olom-bitsy manana toe-tsaina tsy te-hahalala afa-tsy handrodana fitondrana hahazoana tombontsoa manokana.

Tsy tia tanindrazana izany Rajoelina Andry, fa resabe sy famahan-dalitra vahoaka tsotra izao izany. Ireo vahoaka nopotehiny fiainana ireo tsy namakiany loha nandritra ny tetezamita naharitra dimy taona be izao ary mbola manaporofo izany fa tsy tia tanindrazana izy. Ny fitiavan-tanindrazana dia fijerena izay hahasoa ny olona rehetra tsy ankanavaka, ny mpiray tanindrazana rehetra, fa tsy misy ailika na iray aza. Fa moa tsy nanilika ankolafin’olona Rajoelina Andry nandritra ny naha teo azy teo amin’ny fitondrana nobodoiny an-kery? Nisy aza mbola nohazainy natao haza lambo sy nohenjehiny fatratra satria nanohintohina ny fitondrany sy nilaza ny marina. Ny fiainam-pianakaviana aman’hetsiny ireo tsy mbola niarina sy nihatsara hatramin’izao ary mifohafoha volo tokoa amin’ny fiarenana indray. Moa mba nanisy teny na kely akory momba azy ireo ny tenany, eny fa na tao anaty fampielezan-kevitra aza. Midika izany fa ilay Rajoelina mbola tamin’ny taona 2009 ihany io manao fampandriana adrisa amin’ny resaka samihafa io. Resaka toy ny nataony ihany tamin’ny taona 2008, fa mody nasiany zavatra hafa kely fotsiny fanampiny mba tsy ho fanta-bahoaka sy hanakonan’endrika.

Mahaiza mifidy ry vahoaka.