EDITO 1 Desambra – Tsy mpanao fampanantenana poakaty sy mampanofy vahoaka Ravalo

Helisoa

Fito taona ny filoha Marc Ravalomanana no nitondra ny firenena fa nosomparan’ny  mpanongam-panjakàna Andry Rajoelina. Nandritra izany, niakatra  7%  mahery  ny harinkarena faobe  an’i Madagasikara, lalana mirefy 9000 km mahery no vitany, nanjaka ny fandriampahalemana, niditra antsekoly ny zanaky ny Malagasy, maro ny CSB vita manerana ny Nosy teo amin’ny sehatry ny fahasalamana, sns…. raha tsy hilaza hafatsy ireo fotsiny isika.

Ankehitriny  hiatrika ny fifidianana  indray ny vahoaka Malagasy, ka ny filoha Marc Ravalomanana no hiatrika ny fihodinana faha 2 amin’izany. Mandritra izany, maro loatra ireo mpanao politika manome fampanantenana poakaty hoy  ny filoha Marc Ravalomanana N°25 raha naneho hevitra tamin’ny pejy fesiboky Ravalomanana ofisialy izy. Manome toky anareo anefa aho hoy izy fa tsy anisan’ ny mpanao ronono antavy aho.  Noho izany dia ho lazaiko ho ren’ny vahoaka isan’andro eto hoy Dada ny zava-nisy marina nandritra ny fotoana naha Filoham-pirenena ahy. Ny zava-misy holazaiko eto dia marim-pototra ary miainga avy amin’ny tatitra mazava avy amin’ny Banky iraisam-pirenena, UNICEF, ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny sakafo, sns fa tsy nofinofy  toy ny ataon’ny sasany. Ny politika hoy izy dia tokony hiainga amin’ny zava-misy marina fa tsy ho fampanantenana poakaty.

Sahy Ravalo arakizany ary vonona indray hitondra ny firenena ho aminny tena fampandrosoana.